Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

📌NY FANANGANAN-TSAINA, anio 17 OKTOBRA 2022.

Alatsinainy fanomezam-boninahitr­a sy fananganana ny fanevam-pirenena teto amin’ny Ministeran’ny fitsarana Faravohitra izay notarihan’ny Sekretera Jeneraly, R/toa RABY Savatsarah.

Nandritra ny fananganan-tsaina no nitateran’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Ramatoa RABY Savatsarah, mahakasika ny fitokonan’ny Mpiraki-draharaha, ny tokony hanaovan’izy ireo “Service minimum” satria tafiditra ao anatin’ny “Service essentiel de l’Etat” ny asam-pitsarana ary misokatra ho amin’ny fifampidinihina sy ny fifampiresahana mandrakariva ny Ministera Foibe.

🎥Arahinao manontolo ary ny resaka nentin-dRamatoa RABY Savatsarah,
Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARA.

📌Hamaranantsika ireo tsara ho fantatra ny mahakasika ny Didim-pitsarana misolo sora-pahafatesana na ny « Jugement supplétif de décès » dia hozaraina amintsika ireo antontan-taratasy ilaina sy ny paik’ady arahina amin’izany.

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA:
👉Taratasy fangatahana,
👉Taratasy fanamarinana fikarohana tsy nahitambokatra avy amin’ny Kaominina misy ny toerana farany nonenan’ny maty,
👉Taratasy manamarina ny fahatarana fanambarana avy amin’ny Kaominina,
👉Taratasy manamarina ny fahafatesana avy amin’ny mpitsabo mpiasam-panjakana (fiche de constatation de décès),
👉Taratasy fahazoan-dàlana handevina (permis d’inhumer),
👉Sora-pahaterahan’ilay olona maty na ny dika mitovin’ny karapanondrony,
👉Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka,
👉Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2.

🔷 SARAN’NY FAMPDIRANA FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA:
Tsy misy sarany aloa fa maimaimpoana izany.

🔷 TSARA HO FANTATRA MIKASIKA NY PAIK’ADY ARAHANA SY NY FOTOAM-PITSARANA:
👉Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana ireo antontantaratasin’ady voalaza teo ambony,
👉Ny mpangataka dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona no farafahakeliny, efa manana karapanondrom-pirenena ary nahalala tsara ny maty,
👉Ampahibemaso azon’ny olona rehetra atrehina ny fotoam-pitsarana.
👉Ento izay porofo rehetra hanohananao ny fangatahanao.

🔷 REHEFA MIVOAKA ILAY DIDIM-PITSARANA:
👉Entina any amin’ny Kaominina misy ny toerana farany nonenan’ny maty ilay didy,
👉Izay vao afaka manoratra ny fahafatesana ao amin’ny boky firaiketana ny tompon’andraikitry ny sora-piankohonana,
👉Afaka mamoaka sora-pahafatesana amin’izay avy eo ilay Kaominina.

Posted in Autres Evenements

Holafitry nry mpisolo-vava eto Madagasikara.

Fankalazana manetriketrika ny faha-85 taonan’ ny holafitry nry mpisolo-vava eto Madagasikara eto amin’ny Fitsarana Ambartonga Voalohany Anosy.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’Andriamatoa Mayatta Ndiaye MBAYE, Tale Jeneralin’ny ERSUMA na « Ecole Régionale Supérieur de la Magistrature » avy amin’ny « OHADA » tao amin’Adriamatoa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana teto Faravohitra.
Hisy ny Atrikasa izay hotanterahany ao amin’ny ENMG anio hariva.

Posted in Autres Evenements

HETSIKA FANOMEZANA SORA-PAHATERAHANA SY KARAPANONDROM-PIRENENA MAIMAIMPOANA.

📌 Mitohy hatrany ny « Hetsika fanomezana sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena maimaimpoana » izay handraisan’ny fitsarana anjara andraikitra goavana. Nanomboka izany ny avy ao amin’ny faritra Morondava anio ary koa ny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Manalalondo sy ny manodidina sy ny tao Antsahabe distrikan’ny Antsohihy.
Ny tao amin’ny distrikan’ny Fenerivo-Atsinanana kosa dia nanomboka ny Alarobia 05 Oktobra 2022 tao Mahambo.