Posted in Actualités

Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy.

Fametrahana ny vato fototra ho an’ny efitrano Fitsarana faha-6 (Salle d’audience N°6) eto amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina

Fananganan-tsaina sy fampitam-baovao natao tany amin’ny Fonjaben’Antanimor­a izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana,­ Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📌 Mitohy vakana ny fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François.
Nanatontosa izany ny Masoivohon’ny Inde 🇮🇳 SE Mr BANDARU Wilsonbabu ny 22 Novambra 2022.

⭕ Nivoitra nandritra ny fitsidihana ny fanohanana ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny lafin’ny Haitao Ara-Kajy Mirindra (Digitalisation) izay hananan’ny firenena Indianina traikefa manokana.

🎥🎤 Atolotra anao ny mombamomba izany entin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François.

Posted in Actualités

Valan-dresaka nifanaovana tamin’ireo Mpanao Gazety.

📌 Nitondra fanazavana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François mahakasika ny rahaharaha volamena sy ny zavatra nivoitra nandritra ny fivorian’ny « CSM » na ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara natao tamin’ny herinandro lasa, izay nandinihana: ny fanendrena, ny famindran-toerana ary ny fanasaziana ireo Mpitsara ary koa ny momba ny ao amin’ny “Pôle anti-Corruption”.

🎥🎤 Atolotra anao manontolo izany.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

⭕ Ny Talata 22 Novambra 2022 dia tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana teto amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François teto faravohitra ny Masoivohon’ny « Union Européenne » , SE Mme Isabelle DELATTRRE.

📌 Fanamifasana ny firaha-miasa no nifantohan’ny dinika, ary indrindra ny fanohizana ny tetikasa Haitao Ara-Kajy Mirindra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

🎥🎤 Atolotra anao ny resadresaka natao niarahana tamin’ireo mpanao gazety.