Posted in Actualités

FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA.

📌 Androany 11 oktobra 2022 no nanatanterahana ny fotoam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fihanianana sy nametrahana tamin’ny fomba ofisialy an-dRamatoa RAZAFINDRAMARO Bodo Vololohanitra ho Lehiben’ny Fampanoavana Ambony eo anivon’ny Fitsarana Fandravana.
Nandritra ny nitafan’ny tamin’ny mpanao gazety no niresahany sy namaliany ireo teboka vitsivitsy:
⭕ Mahakasika ny asa, izay nanipihany fa hitohy hatrany ny fomba fiasa teo aloha izay nahitana fahombiazana miampy ireo vina sy paikady vaovao hapetraka.
⭕ Ny raharaha volamena izay mampametraka fanontaniana ny maro
⭕ Ireo olana sedraina eo am-panatanterahana ny asam-pitsarana.
🎥 Omena anao manontolo ny fanazavana nentin’i Ramatoa RAZAFINDRAMARO Bodo Vololohanitra, Lehiben’ny Fampanoavana Ambony eo anivon’ny Fitsarana Fandravana.

PEJY AN-TSARY:
⚖ Fotoam-pitsarana manetriketrika fandraisana ny fianianana sy fametrahana ny Lehiben’ny Fampanoavana Ambony R/toa RAZAFINDRAMARO Bodo Vololohanitra eo anivon’ny Fitsarana Fandravana teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony (Cour Suprême), sy ny fandraisana ny fianianany teo anatrehan’ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice).

Posted in Autres Evenements

FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA.

Fotoam-pitsarana manetriketrika fandraisana ny fianianana sy fametrahana ny Lehiben’ny Fampanoavana Ambony eo anivon’ny Fitsarana Fandravana, Ramatoa RAZAFINDRAMARO Bodo Vololohanitra, eto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.