Posted in Autres Evenements

HETSIKA FANOMEZANA SORA-PATERAHANA SY KARAM-PANONDROM-PIRENENA MAIMAIMPOANA FAOBE.

➡ Mitohy hatrany ny hetsika fanomezana kopia sy karam-panondrom-pirenena maimaimpoana, ka tao amin’ny Distrikan’Ambatolampy no nanao izany nanomboka ny Alatsinainy 03 Oktobra 2022, ka olona miisa 249 no nahazo « jugements supplétifs » sy sora-pahaterahana hatreto. Hitohy ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy izany ny 10 Oktobra 2022.

◾Ny avy any amin’ny kaominina Ambanivohitra Bemanonga Distrikan’ny Morondava kosa dia olona miisa 305 no nisitraka izany.

◾Ho an’ny Distrikan’ny Vohipeno indray dia Kaominina telo no nanohizana ny hetsika androany dia ny Kaominina Mahasoabe, ny Kaominina Ankarimbary ary ny Kaominina Mahabo.

✅Hita fa vao maika nitombo sy narisika ireo olona tonga rehefa naheno an’ireo izay efa nahavita.