Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

FITSIDIHINA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHON’NY FRANTSA VAOVAO ETO MADAGASIKARA.

⭕ Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’Andriamatoa SEM Arnaud Guillois, Masoivohon’ny Frantsa vaovao eto Madagasikara sy ny mpiara-dia aminy tao amin’Adriamatoa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana¬, Ministry ny Fitsarana teto Faravohitra.
Nisongadina tamin’ny resak’izy ireo ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny alalan’ireo tetikasa maro hiarahana.

Posted in Actualités

Tafatafa fohy niarahan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana tamin’ny mpanao gazety.

⭕ Nisy ny tafatafa fohy niarahana tamin’ny mpanao gazety mahakasika ny fitokonan’ny Mpiraki-draharaha. Nanamafy hatrany ny Minisitra fa misokatra mandrakariva ny Ministera Foibe amin’ny fifampiresahana hitadiavam-bahaolana, ary indrindra raha tombontsoa mifampiankina amin’ny Ministera. Vonona hatrany ihany koa ny Ministera Foibe hanampy ary hitondra izany any amin’ny tompon’andraikitra mahefa isan’ambaratongany.

🎥 Omena anao manontolo ny fanazavana nentin’A/toa Francois RAKOTOZAFY, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

📌 Notanterahina teto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny fananganan-tsaina anio Alatsinainy faha 24 oktobra 2022, Andriamatoa Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RAKOTOZAFY François no nitarika izany.