Posted in Autres Evenements

HETSIKA FANOMEZANA SORA-PAHATERAHANA SY KARAPANONDROM-PIRENENA.

📌 Araka ny efa fantatra dia eraky ny faritra ny fanaovana ny « Hetsika fanomezana kopia sy karapanondro ho an’ny vahoaka malagasy izay tsy mbola manana izany » ka tanteraka izany tao amin’ny faritra Mahatsiatra ambony tamin’ny zoma 14 Oktobra 2022 lasa teo. Kaominina 18 tao amin’ny Distrika Ambohimahasoa no vita tanteraka izay notsinjaraina tao Camp- Robin , Ankafina Tsarafidy , Sahatona ary Ambohimahasoa. Ary tohizana any amin’ny Distrikan’ Ambalavao indray ny izany. Marihina fa misy 7 ny Distrika misy any.
Nisitraka izany koa Ny Distrikan’ Ambatolampy sy Antanifotsy ka olona miisa 683 no nahazo ny kopia sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirene­na hatreto.
Ho an’ny Distrikan’ Andramasina indray dia vinavinaina ho hatomboka ny Alatsinainy 25 oktobra 2022 ny hetsika.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

📌NY FANANGANAN-TSAINA, anio 17 OKTOBRA 2022.

Alatsinainy fanomezam-boninahitr­a sy fananganana ny fanevam-pirenena teto amin’ny Ministeran’ny fitsarana Faravohitra izay notarihan’ny Sekretera Jeneraly, R/toa RABY Savatsarah.

Nandritra ny fananganan-tsaina no nitateran’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Ramatoa RABY Savatsarah, mahakasika ny fitokonan’ny Mpiraki-draharaha, ny tokony hanaovan’izy ireo “Service minimum” satria tafiditra ao anatin’ny “Service essentiel de l’Etat” ny asam-pitsarana ary misokatra ho amin’ny fifampidinihina sy ny fifampiresahana mandrakariva ny Ministera Foibe.

🎥Arahinao manontolo ary ny resaka nentin-dRamatoa RABY Savatsarah,
Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana.