Posted in Actualités

Fanangana-tsaina natao teo amin’ny Fitsarana Tampony Anosy

🇲🇬⚖ Fananganan-tsaina natao teo amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, izay notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Rtoa RABY Savatsarah sady nampitàny ihany koa ireo vaovao vitsy ho an’ny mpiara-miasa rehetra.

Nandritra ny fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy no nitateran’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana Ramatoa RABY Savatsarah ireo vaovao sy hetsika eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, ka nilazany fa ny – Alakamisy 06 oktobra 2022 dia hisy ny Fotoam-pitsarana manetriketrika hametrahana ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony (PPCS). Ary ny Talata 11 oktobra 2022 no hanatanterahana ny Fotoam-pitsarana manetriketrika hametrahana an-dRamatoa Tonia Mpampanoa Ambony eo amin’ny Fitsarana Fandravana (Cour de Cassation). ➡Mahakasika ny fitokonana izay kasain’ny « Syndicat des Greffes de Madagascar » indray dia nomarihiny fa misokatra ho an’ny fifampiresahana hatrany ny Ministera foibe ; ary tokony hitsinjo hatrany ny zana-bahoaka sy ny mpisitraka ny Fitsarana izay hanaovantsika ny asa rehetra isika.

🎥 Indro arahintsika manontolo ny fanazavana mahakasika izany rehetra izany.