Posted in Autres Evenements

Syndicat des Greffiers de Madagascar (SGM).

FITOKONAN’NY MPIRAKI-DRAHARAHA.
📌 Eo anatrehan’ny fitokonana izay ataon’ny Mpiraki-draharaha manerana ny Nosy, dia namaoka naoty ny Ministra ny herin’andro lasa teo fa tokony hisy hatrany ny “service minimum” ho fampandehanan-draharaha satria asa ho an’ny vahoaka no atao ka tsy tokony hijanona izany. Noho izany dia nisy ny fifampidinihan’ny solotenan’ny Sendikan’ny Mpiraki-draharaha tamin’ireo lehibe teto amin’ny Ministera izay notarihan’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François anio 10 Oktobra 2022 teto faravohitra.

➡ Naharitra ora maro ny dinika, izay nitondrana fanazavana misimisy kokoa mahakasika ilay naoty nivaoka , ary koa nifampidinika momba an’ireo taky napetraky ny sendika.

⭕ Anisany zo fototra ny fitokonana ka tsy nanakana mihitsy ny Ministera, fa kosa tsy tokony hanelingelina ny hafa sy ny asa izany hoy ny Ministra nanantitrantitra. Lalàna hatrany no harahana ka tsy tokony hisy tsindry na koa fandrahonana ho an’izay vonona ny hiasa.

Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpiraki-draharaha, A/toa RANDRIAMARO Alain Michel Ludovic.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

🇲🇬⚖ Fananganan-tsaina ho fanomezam-boninahitra ny firenena teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra.
⭐ Notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François niraka tamin’ny mpiara-miasa rehetra.

📌 Nandritra ny fananganan-tsaina izay notarihin’Andriamatoa Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François niarahany tamin’ny mpiara-miasa eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ary nanaovany ny tatitra ka :
👉Nanolorany sy niarahabany ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony vaovao A/toa RAKOTONAVALONA RANARY Robertson ;
👉Nilazany fa ny Talata 11 oktobra 2022 ny fotoam-pitsarana manetriketrika ho fametrahana ny Tonia Ambonin’ny Fitsarana Tampony eo amin’ny Fitsarana Fandravana vaovao ;
👉Nanambaràny mahakasika ny Fitokonan’ny mpiraki-draharaha fa zo fotrotra ny fitokonana ka tsy tokony hisy ny sakantsakana. Aoka ny mpiasa vonona hiasa tsy sakanana na terena fa hanana fahalalahana.
🎥 Indro atolotra anao manontolo ny lahatenin’A/toa Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François.