Posted in Actualités

Andro faharoa sady famaranana ny fikaonan-dohan’ny Mpitsara.

✅Nifarana ny 12 Jolay 2022 ny fikaonan-dohan’ny Mpitsara Malagasy izay natao tao amin’ny CCI Ivato nitondra ny lohahevitra “Ny Mpitsara Malagasy manoloana ny fiandrandran’ny mpisitraka ny Fitsarana ».

➡Laha-dinika dimy no nodinihina izay nozaraina ho vaomiera dimy, ary maro ny Tsao-kevitra nivoitra tamin’izany.
⭐Nandritra ny fihaonan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François tamin’ireo mpanao gazety no nanambarany:
– ny fehin’ny fikaonan-doha
– ny olana sedrain’ny fitsarana amin’ny ady tany sy ny maha-ela izany.

🔷Natsidiny ihany koa fa efa misy ny fanampariahana sy fampahafantarana ny lalàna isaky ny Fitsarana, izay natao indrindra ho an’ireo manandraharaha eny amin’ny Fitsarana hiadiana amin’ny kolikoly.

🔷Nanentana ny vahoaka izy ary indrindra ireo mpanao gazety sy ireo mpikirakira ny tamban-jotran-tseras­era mba hanamarina ny vaovao rehetra izay havoaka, sy hitatitra ny marina amin’ny vahoaka.

🔴Nampahatsiahiviny fa ny Fampanoavana “parquet” dia efa nentanina mba hizara ny vaovao izay azo lazaina amin’ny vahoaka mahakasika raharaham-pitsarana.

⭕Nifanaiky ny Mpitsara rehetra fa hiezaka ny hanao ny tsara hatrany ho an’ny vahoaka Malagasy sy ho an’ny mpisitraka ny Fitsarana.
🎤Atolotra anao ny tafa sy diniky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François sy ny mpanao gazety.

Posted in Actualités

Fikaonan-dohan’ny Mpitsara.

📌11 Jolay 2022 Andro voalohany.

➡ Nivoitra nandritra ny fihaonan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François tamin’ny mpanao gazety fa ny fanatsarana ny asa sy ny kalitao, ny fampitoviana ny fomba fijery sy ny fomba fiasa manoloana ny mpisitraka ny Fitsarana no laha-dinika mandritra izao fikaonan-doha izao.

⭕Tamin’izany ihany ko no nanambarany ny fandroson’ny asam-pitsarana mahasika ny volamena voageja ao Afrika atsimo sy ireo olona voaroiroy miaraka aminy.

🎤Atolotra anao ny tafa nifanaovan’ny Ministry ny Fitsarana tamin’ireo mpanao gazety.

Posted in Actualités

Andro voalohan’ny Fikaonan-dohan’ny mpitsara manerana ny Nosy eto amin’ny CCI IVATO.

📷 Pejy an-tsary 11 jolay 2022.

🔷Haharitra roa andro ny fakoanan-dohan’ny Mpitsara izay mitondra ny lohahevitra « Ny Mpitsara Malagasy manoloana ny fiandrandran’ny mpisitraka ny Fitsarana ». Laha-dinika dimy no dinihina mandritra izany fikaonan-doha izany, ary nandray anjara mavitrika ireo mpitsara izay nozaraina ho vaomiera dimy.

⭐Notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François ny fotoana.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA:

📌Taorian’ny fampahafantarana mikasika ny Fiahiana ny zaza na « Tutelle » dia indro lohahevitra vaovao indray no entina amintsika dia ireo tsara ho fantatra mikasika ny Fisaraham-panambadiana na « Divorce ».

➡ Ny lalàna mifehy izany dia ny Lalàna laharana faha 2007-022 tamin’ny 20 Aogositra 2007 mikasika ny fanambadiana sy ny fitondrana ny fananan’ny mpivady.

🔷INONA AVY ARY IREO ANTONY ANEKENA NY FISARAHAM-PANAMBADIANA ?
👉Tsy fahazakana intsony ny fiaraha-monin’ny mpivady;
👉Tsy fanatanterahan’iray amin’ireo mpivady ny andraikitra sy ny adidiny avy amin’ny fanambadiana (ny firaisa-monin’ny mpivady, ny fifanampiana, ny fifamonjena, ny fifampitokisana sy ny fifanajana) ;
👉Fijangajangana ;
👉Fanasaziana ny iray amin’ireo mpivady noho ny heloka bevava .
Ireo antony rehetra ireo dia tsy maintsy arahina porofo mazava.

🔷IZA NO FITSARANA MAHEFA RAHA HANGATAKA IZANY ?
Fitsarana mikasika ny ady madio :
👉misy ny toeram-ponenan’ireo mpivady
👉na misy ny toeram-ponenan’ny toriana na ny toerana nonenany farany.
🔴 Fanamarihana: Ho an’ny vehivavy misintaka, ny Fitsarana misy ny toerana honenany mandritra ny fisintahany no mahefa
⭕Ho hitantsika amin’ny heriny indray ny mahakasika ny paikady arahina amin’izany.

Posted in Autres Evenements

Atrikasa Fikaonan-doha.

⚖ Atrikasa Fikaonan-doha.

📌Nosokafana anio Alakamisy 07 Jolay 2022 teto amin’ny Hotel Splendide Toamasina ny “Atrikasa fikaonan-doha ho fampitoviana ny fanasaziana ny halatra lavanio”.

➡ Misy fihatraikany mivantana amin’ny toe-karena ny famokarana sy fanondranana lavanio, ary anisan’ny voalohan’ny loharanom-bola vahiny ho any fanjakana Foibe. Misy Koa ny fandikan-dalàna ka izay indrindra no hifantohan’ny laha-dinika mandritra ny roa andro, izay hiarahan’ny solontenan’ireo Minisitera voakasik’izany ( Fitsarana, Atitany sy Fitsinjaram-pahefana, Filaminam-bahoaka, Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, fambolena sy fiompiana ary Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena).

⭕Haharitra roa andro ny atrikasa ary hifarana rahampitso 08 Jolay 2022.

✅ Ny PNUD no angady nanana sy vy nahitana nahataterahana izao atrikasa izao.
🎥🎤Atolotra anao ny fanazavana nentin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah sy ny Goverinoran’ny Faritra Atsinana,A/toa RAFIDISON Richard tamin’ny mpanao gazety.