Posted in Annonces et Informations

🔴 FILAZANA MAIKA

📌Noho ny lositra izay nitranga tao amin’ny fonjaben’Ambalatavoangy Toamasina androany 27 jolay 2022 izay nahalasa voafonja miisa 3 ka ny iray no efa tafaverina.
Araka izany dia iangaviana sy ilazàna isika rehetra izay manana vaovao na mahafantatra izay mety misy azy ireo mba hampilaza avy hatrany ny manampahefana na tompon’andraikitra ny filaminana akaiky azy.

✅Tazonina ho tsiambaratelo ny momba ireo izay milaza ny vaovao.
❌Hampafantarina fa raha mahafantatra vaovao momba izany ka tsy miteny na ihany koa manafina dia raisina ho mpiray tsikombakomba ary ho henjehin’ny lalàna ihany koa.
➡ Ireto ny mombamomba ireo voafonaja roa mbola karohina :
– RAFANOMEZANTSOA Rawilson Berthin dit Fano, écroué le 16.11.19 pour vol de numéraire et divers objets avec port d’arme.
– LEXANDRE écroué le 29.09.18 a maroantsetra pour vol avec port d’arme et association des malfaiteurs.

Posted in Autres Evenements

FANATSARANA FOMBA FIASA MIARAKA AMIN’IREO HOLAFITRY NY MPISOLO VAVA.

📌 Tafiditra tanteraka anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Minisitry ny fitsarana ankehitriny ny fanamorana ny fanatonana ny fitsarana na ny « accès à la justice ». Notontosaina androany 27 jolay 2022 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny fihaonana teo amin’ny solotenan’ny Ministeran’ny fitsarana izay notarihin’ny Tale jeneraly misahana ny raharaham-pitsarana, ny fandinihana ary ny fanavaozana (DGAJER), Ramatoa RAKOTONDRAJERY R. Salohy niaraka tamin’ ireo mpiara miasa aminy andaniny sy ny Holafitry ny Mpisolo Vava, notarihan’ny Lehiben’ny Holafitry ny Mpisolo vava, Me Alain RAONDRY sy ireo mpikambana ao amin’ny Filan-kevitry ny Holafitra ankilany.

➡ Ny fifanakalozana natao no nampivoitra ny fitoviam-pijery teo amin’ny roa tonta ny tokony hahamatihanina misimisy kokoa ireo mpiasan’ny fitsarana amin’ny fanajana ny zon’ireo manandraharaha eny anivon’ny fitsarana sy ny faneken’ny holafitry ny mpisolo vava ny ho fandaminana izay ho avoaka amin’ny alàlan’ny fenitra amin’ny fanatanterahana ny asa na ny « standard de service  » izay ho apetraka hanankery eny anivon’ny fitsarana manerana ny Nosy. Izany no ho atao dia ny hisitrahana mitovy ny tolotra omen’ny sapandraharaham-pitsarana na ny « service public de la justice « .

⭕ Marihana moa fa anisan’ny teboka nodinihana nandritra ny « Symposium des Magistrats » rahateo ny tsy fahatomombanana eny anivon’ny seha-pitsarana izay misy andraikitry ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny Fitsarana na io Mpitsara, na Mpiraki-draharaha, na Mpisolo vava, na Vadintany, na Mpahay, na Mpikaroka ny fandikan-dalana na ny manan-draharaha eny @ Fitsarana…

✅Teboka maro no nifanakalozana ka anisan’ny tapaka tamin’izany ny tokony ametrahana Komity hanaramaso ny fanajana sy fanatanterahana ireo vahaolana miankina amin’ny roa-tonta. Izany Komity izany moa dia tsy hoe rafitra hiteraka fandaniana akory fa lamina avy @ finiavan’ny roa-tonta ho fampandehana antsakany sy andavany ny asam-pitsarana. Hifanome tanana misimisy kokoa manomboka eto ny Holafitry ny Mpisolo vava sy ny Ministeran’ny Fitsarana mba hanatanterahana ireo fanatsarana ezahana apetraka.