Posted in Autres Evenements

Fivorian’ireo mpikambana ao amin’ny COPIL na « Comié de pilotage.

📷 Pejy an-tsary 30 Jona 2022.

⚖ Fivorian’ireo mpikambana ao amin’ny COPIL na « Comié de pilotage » an’ny Tetikasa Fanohanana ny Fitsarana eto Madagasikara na Projet d’Appui à la Justice Malgache (PAJMA) izay natao tato amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana ary notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah.

Posted in Annonces et Informations

Avis de Concours et Appel à Candidature 2022

👉Appel à candidature « APPEL A CANDIDATURES Pôles anti-corruption 2022 ».👈

👉Cliquer ici pour accéder à la page « avis de concours 2022 ».👈

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina teto amin’ny Fonjaben’Antanimora.­

📸 Pejy an-tsary 27 Jona 2022.

🇲🇬 Fananganan-tsaina teto amin’ny Fonjaben’Antanimora.­

📌 Nandritra ny fananganan-tsaina dia nitondra teny fisaorana sy fiarahabana an’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana A/toa IRAMANJAFINIMALO RAFALY Omega amin’izao nahatratrarana ny asaramanitra izao. Nisaotra sy nankasitraka an’ireo Mpandraharaha ny Fonja nandray anjara tamin’ny Matso ny Ministra ary koa niarahaba ny mpiara-miasa rehetra tamin’ny fahatratrarana ny faha-62 taona nahazoana ny fahaleovan-tena izao.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Rehefa hitantsika tamin’ny heriny ny mikasika ny fanendrena ny mpiahy na « tuteur » sy ny andraikitra miandry azy mikasika ny lohahevitra : FIAHIANA NY ZAZA na « TUTELLE » dia indro entina amintsika indray ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fampidiran-draharaha eny amin’ny Fitsarana.

🔷 INONA AVY IREO TARATASY ILAINA ?
👉 Taratasy fangatahana alefa amin’ny Lehiben’ny Fitsarana misy ny fonenan’ ny zaza ary misy ny adiresy mazavan‘ny mpangataka
👉 Ny sora-pahaterahan’ilay zaza,
👉 Ny sora-pahafatesan’ny rainy sy ny reniny,
👉 Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny mpangataka,
👉 Ny sora-panambadian’ny mpangataka (raha efa manambady),
👉 Ny taratasy fanamarinana fihazonana sy fikarakarana ilay zaza omen’ny fokontany (certificat de garde et de charge).

🔷 AVANTANA AMIN’IZA ARY IREO REHETRA IREO ?
Amin’ny lehiben’ny mpirakidraharam-pitsarana
🔷 SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA :
Dimy arivo Ariary (5.000 Ar) izay aloa ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharam-pitsarana ka manome rosia nandoavana izany

Posted in Actualités

Famoahana mpianatra ho Mpisolovava.

📸 Pejy an-tsary 24 Jona 2022.

📌 Famoahana mpianatra ho Mpisolovava.

⭕ Tontosa androany 24 Jona 2022 tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny famoahana ireo mpianatra ho Mpisolovava 39 izay misalotra ny anarana « ARO MIASY. Faha-XV amin’ny andian’ny Mpisolovava izy ireto.

⭐ Nanatrika sy nanome voninahitra izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François.