Posted in Autres Evenements

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌 Hamaranana ny lohahevitra mikasika ny FIAHIANA NY ZAZA na « TUTELLE » dia indro entina amintsika indray ny mahakasika ny paikady arahina eny amin’ny Fitsarana.

🔹 PAIKADY :
👉 Fangatahana ataon’ny fianakavian’ilay zaza eo anatrehan’ny Fitsarana mba hanendry izay ho mpiahy ilay zaza na zatovo,
👉 Fananganana ny filan-kevitry ny fianakaviana na « conseil de famille » ahitana ireo mpikambana voafidin’ny Filohan’ny Fitsarana na ny mpitsara misolo azy avy amin’ireo havana na havan’ireo ray sy renin’ny zaza na koa ireo namana, mpifanolo-bodirindrina na olona hafa izay mety liana amin’ilay zaza,
👉 Fifidianan’ny filan-kevitry ny fianakaviana na fanendreny izay ho mpiahy ilay zaza mandritra ny fotoana izay anaovana ny fiahiana.

🔹 AZO SOLOINA VE ILAY MPIAHY AMPERIN’ASA ?
👉 Eny, raha toa ka misy toe-java-misy manokana sy mafonja ilàna izany fanoloana izany na koa hita fa mifanohitra tanteraka ny tombontsoany sy ny an’ilay zaza.

🔹 RAHOVIANA NO MITSAHATRA NY FIAHIANA ? :
👉 Raha toa ka manambady ilay zaza na zatovo satria ny fanambadiany dia manome azy fizakan-jo feno sy ara-dalàna,
👉 Rehefa feno 21 taona ilay zaza na zatovo.