Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌Maro taminareo mpanaraka ny pejy no nitaraina fa tena ela be vao vita ny raharaham-pitsarana mikasika ny fangatahana fisaraham-panambadiana.

🔴 Ny lalàna aloha voalohany indrindra dia mamaritra fa tsy maintsy antsoina hiatrika fitsarana ireo olona voakasika ka arahina avokoa ireo dingana fampiantsoana voalazan’ny lalàna amin’izany.
Amin’ny raharaha ady madio ihany koa dia ny fifanakalozana fehin-teny no mibahana. Ka tsy mijanona izany fifanakalozana izany raha tsy efa tsy te-hamaly intsony ny mpiady roa tonta.
Manaraka izany dia mikasika ny fisaraham-panambadiana manokana dia misy ny dingana roa voalazan’ny lalàna tsy maintsy tanterahin’ny mpitsara rehefa misy ny dossier momba izany tonga eo am-pelatanany. Vokatr’izay fisian’ny paik’ady manokana izay dia somary maharitra ihany koa ny raharaham-pitsarana.
Andeha ary hojerentsika izay tsara ho fantatra mahakasika ny dingana arahina amin’ny fangatahana fisaraham-panambadiana.

🔷PAIK’ADY ARAHINA :
👉Fangatahana alefa any amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany na manao fampiantsoana ny andaniny amin’ny alalan’ny vadin-tany hiseho fitsarana,

👉Aterina ao amin’ny Lehiben’ny Mpirakidraharahan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’izany miaraka amin’ny vola fanao an-tratra na « provision ».
Dingana voalohany : Fampihavanana na « conciliation »

👉Fisehoana am-batana ny andaniny sy ny ankilany eo anatrehan’ny Fitsarana (tsy azo soloina tena).Ny mpivady irery ihany no manatrika izany fa tsy azon’ny olona rehetra atrehina.

👉Manao fampihavanana ny mpitsara ary mihaino ny roa tonta:
🔹 Raha toa ka mihavana ireo mpivady, dia mitsahatra avy hatrany ny paik’ady.
🔹 Afaka manome fe-potoana tsy mihoatra ny enim-bolana ho an’ireo mpivady koa ny mpitsara hieritreretan’izy ireo. Raha tapitra io fe-potoana io ka raha mbola te hanohy ny paik’ady ny mpangataka fisaraham-panambadiana dia mangataka fitohizan’ny paik’ady indray izy.
🔹 Raha toa ka tsy mihavana ireo mpivady, mamoaka didy mirakitra ny tsy fihavanana na « Ordonnance de non conciliation » ny mpitsara ary mitohy ny paik’ady momba ny fangatahana fisaraham-panambadiana.

➡ Dingana faharoa : Fanatrehana ny fotoam-pitsarana.

👉Mifanakalo fehin-teny ny andaniny sy ny ankilany mandrapaha afa-po azy ireo,
👉Tononina sy avoaka ampahibemaso ny didy momba ny fisaraham-panambadiana ary didiana ihany koa ny fizaram-pananana eo amin’ny mpiady roa tonta araka ny sata mifehy ny fananan’izy ireo.