Posted in Actualités

⚖ FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌 Tonga nanao Fitsidihana ara-pomba fanajana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra ny Solotena maharitra avy amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) R/toa Natasha Van Rijn androany 27 Jolay 2022.

➡ Naneho ny fiaraha-miory tamin’ny namoizana ny DGAP vao tsy ela izay ny tenany ary eo amin’ny lafiny asa indray dia nifampidinihana ireo raharaha maro samy hafa hahafahana manohy ny fiaraha-miasa ary indrindra ny ho fanatsarana izany. Betsaka ireo tetik’asa vinavinaina, anisan’izany ny fanatsarana fotodrafitr’asa sy ny fampitaovana ny eo anivon’ny fonja eraky Madagasikara ary koa ireo fitsarana.

🎥🎤 Mitondra ny andinindininy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François arahan’ny Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara, Rtoa Natasha Van Rijn.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Taorian’ny fampahafantarana mikasika ny fisaraham-panambadiana na « Divorce » dia indro lohahevitra vaovao indray no entina amintsika dia ireo tsara ho fantatra mikasika ny solon-tsakafo na « Pension alimentaire ».

🔷 INONA NY ATAO HOE « SOLON-TSAKAFO »
• Vola aloan’ny ray na ny reny amin’ny iray amin’izy ireo entina iantsorohana ny famelomana ny zaza iombonana (nateraka na natsangana na nozanahana),
• Adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny ny mikarakara sy mandray an-tànana ny fiainana sy ny fianaran’ny zanany,
• Ferana arakaraky ny fidiram-bolan’ny andaniny sy ny ankilany ary ny filàn’ireo zanany.

🔷 RAHOVIANA NO AFAKA ANGATAHINA IZANY ?
 Amin’ny fotoana hampidirana ny fangatahana ny fisaraham-panambadiana eny anivon’ny Fitsarana,
 Ho an’ireo ray aman-dreny tsy vita soratra ara-panjakana kosa fa nanjanaka ilay zaza iombonana fotsiny ihany ny rainy dia afaka mangataka izany eny anivon’ny Fitsarana ny iray amin’izy ireo izay mihazona ny zaza iombonana.
🔷 IZA NO FITSARANA MAHEFA RAHA HANAO FANGATAHANA :
Fitsarana Ambaratonga Voalohany (Fitsarana ady madio) ao amin’ny toeram-ponenan’ny toriana