Posted in Actualités

Fananganan-tsaina Alatsinainy voalohan’ny volana.

📷 Pejy an-tsary 04 Jolay 2022.

⭕Tanterahana eto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny fananganan-tsaina isaky ny Alatsinainy voalohan’ny volana.
Notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah ny fotoana ary nandritra ny fandraisany fitenenana dia nanentana hatrany ny rehetra izy mba hazoto hanatrika izany satria adidy ho an’ny firenena ny fananganan-tsaina ary marika ny maha iray antsika Malagasy, nanome toromarika ny rehetra ihany koa izy ny amin’ny fanaovana ny asa ara-drariny manoloana ny vahoaka izay manan-draharaha eny anivon’ny Fitsarana isan’ambaratongany. Nampita ireo vaovao farany toy ny fanomanana ny fikaonandohan’ireo mpitsara rehetra (Symposium des magistrats) izay ho tontosaina ny 11 sy 12 Jolay 2022 izao ny tenany, ary manentana ireo mpitsara rehetra manerana ny Nosy ho tonga hanatrika sy hanotrona izany.

Posted in Autres Evenements

ATRIK’ ASA FAMPIOFANANA.

🔱 MPANDRAHARAHA NY FONJA.

📌 Nanomboka anio 4 jolay 2022 eto amin’ ny renivohitry Vakinankatra ny atrik’ asa fampiofanana ireo mpampiofana (formation des formateurs ) ao amin’ ny Sekolim-pirenen’ ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP) Antetezambaro Toamasina II.

⭕ Tanjona lehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ ireo mpampiofana eo amin’ny lafiny fanomanana sy fanatanterahana fiofanana.
⭐ Lohahevitra dimy no harahina mandritra ny dimy andro:
👉ny fanofanana olon-dehibe,
👉ny fanomanana fiofanana,
👉ny fitondrana fiofanana,
👉ary ny fampivoarana ho an’ ny tsirairay (développement personnel ).

➡ Ireo mpampiofana avy ao amin’ ny « Centre Régional de l’Institut de la Formation Pédagogique » Antsirabe izay tarihin’ A/toa ANDONIRINA Miharivola Tahinasoa, Lehiben’ ny CRINFP sy ny Tale Jeneralin’ ny ENAP, IAPC RAZAFYNTSALAMA Désiré no mizara ny traik’ efa mandritra izany atrik’ asa izany.
🔹Ary araraotina ihany koa izao hanaovan’ ireo mpampiofana avy any amin’ny ENAP hanao fitsidihana ny Sekolim-pirenena ho any “Inspecteurs sy Agents de Police” eto Antsirabe .
✅ Manohana ny fanatanterahana izao atrik’ asa izao ny tetik’ asa PAJMA izay vatsian’ ny Agence Française de développement (AFD) ara- bola. Antenaina fa hampitombo ny fahaiza-manaon’ ireo mpiofana izao atrik’asa izao hanatsarana hatrany sy hahamatianina bebe kokoa ny fampiofanana ao amin’ ny ENAP.