Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Hamaranantsika ireo tsara ho fantatra manodidina ny fangatahana fisaraham-panambadiana ary dia ho entina amintsika indray ny mikasika ny antontan-taratasy ilaina amin’izany sy ny mikasika ny porofo.

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA AMIN’NY FANGATAHANA FISARAHAM-PANAMBADIANA :
👉 Fangatahana omban’antony,
👉 Kopian’ ny bokim-pianakaviana na sora-panambadiana,
👉 Sora-pahaterahan’ny zaza iombonana (acte de naissance),
👉 Taratasy manaporofo ny fahadisoan’iray amin’ny mpivady,
👉 Rosia manamarina ny nandoavana ny vola fanao an-tratra (provision) mitentina roan-jato sy valo arivo sy efatr’alina Ariary (48.200 Ar) tao amin’ny Lehiben’ny Mpirakidraharahan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany.

⭕ Marihina fa tsy voafetra ho ireo lisitra ireo ihany fa mety mbola misy taratasy hafa takian’ny Fitsarana.

🔷 FANAMARIHANA MIKASIKA NY POROFO ENTINA EO ANATREHAN’NY FITSARANA :
Maro taminareo mpanaraka ny pejy no nanontany mikasika izay mety ho porofo entina eo anatrehan’ny Fitsarana raha hangataka fisaraham-panambadiana.
⭕ Marihina aloha fa araka ny lalàna malagasy dia tsy azo ekena ny fisaraham-panambadiana raha tsy noho ny tsiny amam-pondron’ny iray na ireo mpivady (faute). Izany hoe raha fifanarahan’ny mpivady fotsiny ihany (consentement mutuel) no antony angatahany fisarahana fa efa tsy te hiara-monina intsony izy ireo dia tsy eken’ny lalàna malagasy izany hatreto.
⭕ Noho izany dia mila manaporofo ny fahadisoan’ny ankilany ny iray amin’ny mpivady izay mangataka fisaraham-panambadiana.
 Anisan’ny porofo azo entina ohatra raha toa ka noho ny fijangajangana ny antony angatahana ilay fisarahana ny taratasy fitànana an-tsoratra nataon’ny vadintany noho ny fijangajangan’iray amin’ireo mpivady (constat d’adultère), raha noho ny vono kosa ohatra dia ny taratasy fanamarinana avy any amin’ny mpitsabo (certificat médical), raha noho ny fanasaziana ny iray amin’ireo mpivady noho ny heloka bevava kosa indray dia ny didim-pitsarana milaza izany.
⭕ Ohatra ihany ireo tanisaina eo ambony ireo fa izay rehetra porofo anananao dia afaka entina eo anatrehan’ny fitsarana ka anjaran’ity farany no mijery izany.

🔷 REHEFA MIVOAKA NY DIDIM-PITSARANA :
⭕ Rehefa tonga raikitra ilay didim-pitsarana dia ho entina eny amin’ny Kaominina nanaovana ny fisoratam-panambadiana ilay didy raikitra na grosse mba hanaovana ny soratra an-tsisiny amin’ny sora-panambadian’izy ireo, aorian’izay dia atao ihany koa ny soratra an-tsisiny amin’ny sora-pahaterahan’izy ireo any amin’ny Kaominina nahaterahany avy.