Andro faharoa sady famaranana ny fikaonan-dohan’ny Mpitsara.

✅Nifarana ny 12 Jolay 2022 ny fikaonan-dohan’ny Mpitsara Malagasy izay natao tao amin’ny CCI Ivato nitondra ny lohahevitra “Ny Mpitsara Malagasy manoloana ny fiandrandran’ny mpisitraka ny Fitsarana ».

➡Laha-dinika dimy no nodinihina izay nozaraina ho vaomiera dimy, ary maro ny Tsao-kevitra nivoitra tamin’izany.
⭐Nandritra ny fihaonan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François tamin’ireo mpanao gazety no nanambarany:
– ny fehin’ny fikaonan-doha
– ny olana sedrain’ny fitsarana amin’ny ady tany sy ny maha-ela izany.

🔷Natsidiny ihany koa fa efa misy ny fanampariahana sy fampahafantarana ny lalàna isaky ny Fitsarana, izay natao indrindra ho an’ireo manandraharaha eny amin’ny Fitsarana hiadiana amin’ny kolikoly.

🔷Nanentana ny vahoaka izy ary indrindra ireo mpanao gazety sy ireo mpikirakira ny tamban-jotran-tseras­era mba hanamarina ny vaovao rehetra izay havoaka, sy hitatitra ny marina amin’ny vahoaka.

🔴Nampahatsiahiviny fa ny Fampanoavana “parquet” dia efa nentanina mba hizara ny vaovao izay azo lazaina amin’ny vahoaka mahakasika raharaham-pitsarana.

⭕Nifanaiky ny Mpitsara rehetra fa hiezaka ny hanao ny tsara hatrany ho an’ny vahoaka Malagasy sy ho an’ny mpisitraka ny Fitsarana.
🎤Atolotra anao ny tafa sy diniky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François sy ny mpanao gazety.