FAMPAHAFANTARANA
Taorian’ny fanaovan-tsonia sy ny fanamafisana ireo fifanarahana iraisam-pirenena mifehy ny tokony ho fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny lafiny ara-keloka sy ny famoahana hampanan-kery ny lalàna laharana faha 2017-027 tamin’ny 29 Janoary 2018 mikasika ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena momba ny ady heloka, Madagasikara dia efa manana lalàna manokana mifehy ny paik’ady arahina mikasika ny fifanampiana ara-pitsarana amin’ny lafiny ara-keloka sy ny fanolorana olona enjehina ara-pitsarana amina firenena iray hafa.
Raha tsy misy fifanarahana ara-pitsarana eo amin’ny firenena roa tonta dia ny voalazan’io lalàna io no ampiharina amin’izay mety ho fangatahana fiaraha-miasa ataon’i Madagasikara na raisiny avy amina firenen-kafa.
Ankehitriny ny sisintany dia tsy sakana intsony ho an’ny fanenjehana olona iray izay ahiana ho nanao na nahavita fandikan-dalàna sy ho an’ny famerenana ny fananana azo avy amin’ny tsy ara-dalàna.
Ny fifanampiana ara-pitsarana amin’ny lafiny ara-keloka dia paik’ady izay hahafahan’ny firenena mangataka sy/na manolotra fanampiana amin’ny alalan’ny fanangonana porofo ho enti-miatrika ny fampiasana azy amin’ny ady heloka, anisan’izany ohatra ny fihainoana vavolombelona, ny fisavana, ny fihazomana vonjy maika zavatra na mari-bola, ny fanolorana zava-pantatra na antonta-porofo.
Ny fanolorana olona enjehina ara-pitsarana amina firenena hafa iray (extradition) kosa dia paik’ady amina fomba ofisialy ahafahana firenena mangataka ny fanolorana aminy olona iray ahiana ho nanao heloka na nahavita heloka mba ho tsaraina na hamita ny saziny ao amin’io firenena io.
Ny Minisiteran’ny Fitsarana no tondroin’ny lalàna ho manam-pahefana handray na handefa fangatahana fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny lafiny ara-keloka.
Mikasika ny fifanampiana ara-pitsarana angatahina amin’i Madagasikara dia anjaran’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny manatanteraka na mampanatanteraka ireo fangatahana ataon’ny manam-pahefana ara-pitsarana avy any ivelany araky ny paik’ady faritan’ny lalàna malagasy.
Rehefa i Madagasikara kosa no manao fangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana amin’ny manam-pahefana ara-pitsarana any ivelany dia ny Minisiteran’ny Fitsarana no miandraikitra ny fampitana ny fangatahana ataon’ny manam-pahefana ara-pitsarana malagasy manaraka ny fomba diplomatika.
Eto Madagasikara, ny fanatanterahana ny paik’ady fanolorana olona enjehina ara-pitsarana amina firenena hafa iray dia tsy maintsy mandalo fotoam-pitsarana ampahibemaso ary raha eken’ny fitsarana izany dia miafara amin’ny fandraisana didim-pitondrana mandidy ny fanolorana ilay olona amin’ilay firenena nangataka.
Raha i Madagasikara kosa no mangataka ny hanoloran’ny firenen-kafa olona iray aminy dia anjaran’ny Minisitry ny Fitsarana no mampita, manaraka ny fomba diplomatika, ny fangatahana izay nataon’ny Tonia Mpampanoa Lalàna Ambony na ny Mpitsara Mpanao Famotorana na ny Tonia Mpampanoa Lalàna any amin’ilay manam-pahefana ara-pitsarana vahiny mahefa.
Marihina fa ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny lafiny ara-keloka dia manaja ny fiandrianam-pirenena satria ny firenena tsirairay dia afaka manaiky na mandà ireo fangatahana fifanampiana ara-pitsarana na fanolorana olona enjehina ara-pitsarana amina firenena hafa.