Posted in Actualités

FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY FONDATION AKBARALY.

📌 Alakamisy 11 Aprily 2024, teto amin’ny « Tour Redland » Ankorondrano, notanterahana ny fanaovan-tsonia fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny « Fondation Akbaraly ». Izany dia miompana amin’ny fahasalamana sy ny fanomanana ny Vehivavy Voafonja amin’ny fiverenana eny anivon’ny Fiarahamonina, rehefa tapitra ny fotoana hanefana ny sazy.
Fiaraha-miasa ihany koa, mahakasika ny Politikam-panjakana amin’ny fanomezan-danja ny mahaolona sy ny fiarovana ny zon’olombelona, amin’ny alalan’ny fiahiana ny fahasalamana sy fanarenana ara-tsosialy ireo Vehivavy Voafonja.

📃 Voarakitra ao anatin’ny fiaraha-miasa fa dia ho raisina ho isan’ny Mpiasa eo anivon’ny ivotoerana tantanan’ny « Fondation Akbaraly » ny Vehivavy Voafonja miisa 50 nahavita fiofanana arak’asa tao Antanimora. Izany dia ho tohin’ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay satria ny « Fondation Akbaraly » ihany no efa nanohana ny fiofanana nomena azy ireo sady manampy ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny Fitsirihana ny fahasalaman’ny Vehivavy Voafonja.

🔹 Hahazo tambin-karama ireo Vehivavy Voafonja hiasa ireo, ary izany dia entiny manomana ny ho aviny.

🎯 Nanamafy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, fa io fifanarahana io dia tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana napetraky ny Minisiteran’ny Fitsarana, amin’ny fanomanana ny famerenana ny Voafonja eny anivon’ny Fiarahamonina rehefa tapitra ny fotoana hanefana ny sazy, ary sambany teo amin’ny fitantanana ny Fonja no nisy Voafonja nahazo fiofanana ka nahazo asa avy hatrany.

🔹 Antanimora no hanombohana ity fiaraha-miasa ity, fa ezaka ny hanitatra izany amin’ny Vehivavy Voafonja amin’ny Faritra hafa.
Fantatra moa fa miditra miasa maraina ireo Vehivavy Voafonja ireo ary miverina ao am-ponja rehefa avy miasa.

🎯 Nilaza ny Dr FRANCESCO Cimino, Tale Mpanatanteraky ny « Fondation Akbaraly » fa zava-dehibe ho amin’izy ireo ny fiarovana ny zon’olombelona. Antony nahatonga azy ireo hiara-hiasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana mahakasika ny fanatsarana ny fiainan’ny Voafonja, indrindra ny Vehivavy sy ny ankizy. Tanjona mantsy ny tsy ahatonga azy ireo ho vesatra ho an’ny Fiarahamonina na koa hamerin-keloka indray, ary ny tena kendrena dia ny famerenan-kasina ny maha-olona.

🔹 Nanatrika ity lanonana fanaovan-tsonia ity ny tompon’andraikitra isan-tokony eo anivon’ny Fitsarana, notarihan’ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana, Mpiara-miasa eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja, notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja ary ny Mpiara-miasa eo anivon’ny « Fondation Akbaraly ».

🎥 Indro ny tafa nifanaovana tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana
RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teny an-toerana.