Posted in Actualités

TOMBIM-PAMOKARANA NY FONJAMBEN’NY MORONDAVA.

📌Sabotsy 13 aprily 2024, tonga nitsidika sy nijery an’izay azo hanitarana ny famokarana tao amin’ny tombim-pamokaran’ny fonjaben’ny Morondava tao Mitsinjoarivo ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. 14ha izao no voly vary misy ao an-toerana ka rehefa fotoana tsy fanaovam-bary dia heritreretina ho ambolena Lojy ny toerana ary hitarina koa ny toerana azo ho volena.

➡️ Tanjona amin’izany dia mandritran’ny taona hisy voly foana ny tany ary koa ny vokatra mba hanampy eo amin’ny lafin’ny sakafon’ireo voafonja.

Posted in Actualités

FONJAMBEN’I MIANDRIVAZO.

📌Sabotsy 13 Aprily 2024, tamin’ny fandalovan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Miandrivazo dia tonga nitsidika ny fonjambe ny tenany niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy avy eo anivon’ny Minisitera.

⭕Nanome toromarika ireo mpandraharaha ny fonja ny amin’ny fanamafisana ny fiambenana sy ny fandrindrana ireo olona mivezivezy ao amin’ny fonja ny tenany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Noresahany koa ny fameloma-maso ny tobim-pamokaran’ny voafonja any an-toerana ary ny fampiofanana azy ireo izay tafiditra anatin’ny fanajàna ny zon’olombelona.

⭕Ankoatra izay dia nanolotra fitaovam-pamokarana toy ny angadin’omby, angady tsotra, sy ny maro hafa ho an’ireo voafonja ny Minisitry ny Fitsarana. Nisitraka fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny minisitera koa ny fonjamben’i Miandrivazo ka vary 8 gony sy tsaramaso 2 gony no azon’izy ireo tamin’izany.

Posted in Actualités

FITSARANA MIANDRIVAZO

📌Sabotsy 03 aprily 2024, Tao arianan’ny fihaonamben’ireo Lehiben’ny Fitsarana rehetra tamin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, dia nidina ifotony tao amin’ny Faritra Menabe, Distrikan’i Miandrivazo ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana mba hijery ny olana misy sy ny zavatra iainan’ny fitsarana. Izany dia ho fanatanterahana ny Politikam-panjakana miainga amin’ireo Andry roa, dia ny fanomezan-danja ny maha olona sy fanajana ny zon’olombelona, ary ny Fanjakana tsara tantana.

🔴Misedra olana amin’ny fanatanterahana ny asam-bahoaka sahanin’ny Fitsarana ary nojerena vahaolana fohy sy antonony, ary lavitr’ezaka amin’izany. Tanjona tao anatin’izany ny fitoviana eo am-panatanterahana ny asam-bahoaka sy ho fanatsarana ny fomba fiasa atolotra ny vahoaka mpila raharaha eo anivon’ny Fitsarana.
Noantitranterina ihany koa ny hisian’ny fanatsarana ny fomba fiasa mitovy amin’ny fitsarana rehetra.

⭕Tao anatin’izay no nanoloran’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny Karatra fanarahan-draharaha (carnet de suivi) eo anivon’ny fitsarana. Hanampy ny manandraharaha amin’ny raharaha hiatrehany izany, hialana amin’ny fomba ratsy mahazatra sy hiadiana amin’ny mpijirika.
Notolorana solosaina miaraka amin’ny « Imprimante » ihany koa ny fitsarana teto Miandrivazo.