Fiarahabana nahatratra ny taona 2021 : « Hanatsara hatrany isika» hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana

 Fifampiarahabana sy firarian-tsoa amin’ny nahatrarana ny 2021 teto Faravohitra. Fotoana mamy no nisantarana ny taona vaovao eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, ny alatsinainy 4 janoary. Ireo solontenan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehetra ary ireo mpiara-miasa no nanolotra ny fiarahabana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana (GSMJ), Atoa Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO. Nitondra teny Atoa Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana an-Tampony (PPCS).

Ho soa sy fahombiazana amin’ny fanatontosana ny adidy aman’andraikitra ary indrindra ny fahasalamana manoloana ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 maneran-tany sy eto Madagasikara. Namitimpitina ireo dingana vita ary namaritra ny ezaka mbola atao amin’ny fanatrarana ny tanjona iraisana, dia ny fanatsarana ny asam-pitsarana sy ny fandraharahana ny fonja manontolo. Ireo no azo amehezana ny lahateny nataon’Atoa GSMJ.