Posted in Actualités

Fianianan’ireo Mpianatra ho Mpitsara.

📌 Talata, 09 Aprily 2024, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.
Tontosa ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ireo Mpianatra ho Mpitsara izay nahavita fiofanana roa taona teo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG),

🌿miisa 81 izy ireo no tafiditra eo anivon’ny Fianakaviam-ben’ny Mpitsara.

🛠️ Raha ny fampahafantarana ny mombamomba ireto Mpitsara vaovao ireto dia hita fa efa samy nanana ny mari-pahaizana sy traik’efa amina sehatra maro samihafa mialohan’ny nidirana nianatra tao amin’ny sekoly ENMG.

🎓 Handray ny asany avy hatrany izy ireo aorian’izao fianianana izao, ary araka ny nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanotrona ny fianianana dia hiparitaka manerana an’i Madagasikara izy ireo ary hojerena manokana ireo toeram-pitsarana tena tsy ampy Mpitsara. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny Fitsarana manakaiky Vahoaka.

▶️ Marihana fa ity andiany « ILO » izay nahavita fianianana ity dia ahitana mpitsara mahakasika ny ady hifanaovan’ny olon-tsotra (Filière judiciaire) miisa 41, 20 mpitsara amin’ny ady atao amin’ny Fanjakana (Filière Administrative) ary 20 mpitsara ara-bola (Filière Financière) .
Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan-tokony eny anivon’ny Andrim-panjakana samihafa, izay notarihan’ny Filohan’ny Antenimeran-doholona sy ireo tompom-panjakana isan-tsokajiny ary ireo mpiara miasa ara-bola sy ara- tekinika amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny ENMG. Nitarika izany kosa ny Filoha Voalohany sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony.