Fanondranana volamena an-tsokosoko: Olona 8 naiditra MD

Mandray ny andraikiny ny Fitsarana , mikasika ilay fanondranana volamena an-tsokosoko milanja 73,5 kg tratra tatsy Afrika Atsimo. Naharitra 2 andro mahery ny Famotorana natao teny anivon’ny PAC etsy 67 Ha, ka tamin’ny 3ora sy sasany maraina vao vita izany androany alahady 10 janoary 2021.

Vokany: olona 8 tamin’ireo olona am-polony mahery nohenoina voalohany no naiditra am-ponja vonjimaika (MD). Lehilahy 7 any Tsiafahy ary vehivavy iray etsy Antanimora.
Karazan’olona maromaro izy ireo: olon-tsotra voarohirohy ka voasambotra teto Madagasikara, tompon’andraikitra eo anivon’ny ACM, ary tompon’andraikitra eo anivon’ilay kaompaniam-pitanterana an’habakabaka tsy miankina.

Karazan-keloka sy liham-piampangana maro no anenjehana azy ireo. Ohatra: ny fandikan-dalàna momba ny fadin-tseranana, fandikan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, fanaovana hosoka amin’ny taratasim-panjakana, fanaovana kolikoly na mivantana na an-kolaka, fanondranana volamena an-tsokosoko.

Tsy mijanona hatreo ny raharaha fa mbola mitohy ny fanadihadiana. Fantatra ihany koa fa efa mandeha ny fangatahana ny fanolorana olona enjehina ara-pitsarana (demande d’extradition) ho an’ireo olona mbola tazonina atsy Afrika Atsimo.

Ny Ministeran’ny Fitsarana no nanao ny fangatahana ary mampita izany amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ity farany no mandefa azy any amin’ny Masoivoho izay mampita izany amin’ny Fanjakana Afrikana Tatsimo.