Posted in Actualités

Fampiroboroboana ny fanohanana ny indostria.

📌Voafaritra ao anatin’io Andry lehibe faharoan’ny politikam-pitantanam-panjakana (PGE) ankehitriny io ny sehatry ny indostria sy ny sehatra tsy miankina.

➡️Noho Izany dia nisy ny fivoriana niarahan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny CSBF, ny fikambanan’ireo mpandray anjara amin’ny sehatra ara-bola toy ny Banky mivondrona ao amin’ny APB, ireo Tranom-piantohana ao anatin’ny AEAM, ireo banky mpampindram-bola mandinika ao amin’ny APIMF, ary ny sehatra tsy miankina toy ny SIM, GEM, FivMpaMa.

⭕Natao izao fivoriana izao mba hisian’ny fifampizarana ireo olana sedrain’ireo sehatra ireo ny amin’ny raharaham-pitsarana, ary ihany koa nanaovana fifanakalozana mba hahitana vahaolana mifandraika amin’izany, ka hanatsarana ny kalitaon’ny asa-pitsarana sy mba ho tombotsoan’ny rehetra.
Maro ny teboka nivoitra tao anatin’izany ka tsy maintsy handraisana lamina sy fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpandray anjara.