Fitsarana manakaiky vahoaka

HIVOAKA NY BOKY TOROLALANA HO AN’NY REHETRA

Miroso ny asa fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana. Ny lafiny fitantanam-bola sy ny fikirakiram-bolam-panjakana indray ankehitriny no sehatra hiofanana mandritra ny 4 andro, nanomboka tamin’ny maraina. Mikarakara ny Fitaleavana misahana ny fampiofanana ireo Mpiraki-draharaha eo anivon’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) etsy Tsaralalàna. Mpanohana ny « Agence Française de Développement » (AFD) amin’ny alalan’ny tetikasa PAJMA.

Manaraka ity fiofanana mitohy ity ireo mpitantam-bola eo anivon’ny tribonaly sy ny rafim-pitsarana manerana an’i Madagasikara. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manao sy ny traikefa ho an’ireo mpikirakira vola rehetra amin’ireo ambaratongam-pitsarana telo misy eto amin’ny Nosy.

Miisa 8 ireo lohahevitra mandrafitra ny fiofanana omena. Anisany ohatra ny fitantanam-bolam-panjakana amin’ny ankapobeny, ny fandrafetana tetibola sy ny fanatontosana azy, ireo lalàna mifehy, ny pitsopitsony amin’ny famoaham-bola ary ny fanaraha-maso sy ny andraikitra mifanila aminy.

Izao dia tafiditra indrindra anatin’ny fanatsarana imasoan’ny Mpitahiry ny Fitombokasam-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Johnny Richard Andriamahefarivo, sy laharam-pahamehana amin’ny Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina.