Tatitra ampahibemaso nataon’ny Fitsarana misahana ny Kaonty

SOSO-KEVITRA MARO HO FANATSARANA NY FITANTANAM-BOLAM-PANJAKANA

Fitsarana misokatra sy manakaiky vahoaka. Araka ny Velirano nataon’ny Filoham-pirenena Atoa Andry Rajoelina sy ny fanamby napetraky ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo, dia notontosaina androany maraina tetsy amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy ny tatitra ampahibemaso nataon’ny Fitsarana misahana ny Kaonty ho amin’ity taona 2020 ity. Tanjona ny maneho ny fomba fitantanana mangarahara ny raharaham-panjakana.
Lohahevitra ny hoe : « zon’ny olom-pirenena ny mahafantatra ny nampiasana ny volam-panjakana », araka ny andraikitra lolohavin’ny Fitsarana misahana ny Kaonty dia ny fanaraha-maso mahomby ny fitantanana ny volam-panjakana ary ny fanampiana ny Fitondrana mahefa hisian’ny fanjakana tsara tantana. Maro ireo lesoka notsoahina sy tsy fanarahan-dalàna voatily, maro ihany koa ny soso-kevitra naroso entina hanatsarana ny ho avy.