Fitsarana manakaiky vahoaka

HIVOAKA NY BOKY TOROLALANA HO AN’NY REHETRA

Laharam-pahamehana anaty Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina ny fanatsarana ny asam-pitsarana. Milofo fatratra sy manao ny ainy tsy ho zavatra hanatratra ny tanjona ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana Johnny Richard Andriamahefarivo. Atrikasa fiofanana miompana amin’ny fanatontosana ny vina Fitsarana manakaiky vahoaka sy Fitsarana misokatra ho an’ny rehetra no nisokatra aninkeo maraina ary haharitra  hateloana etsy amin’ny « Le Hintsy » Ambohimanambola.

Araka ny nambaran’i Rtoa Raby Savatsarah, Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Fitsarana, « Zo fototra an’ny vahoaka ny manatona ny Fitsarana. Antom-piofanana ny hahafahana mamoaka boky torolalana hanampy ny rehetra manan-draharaha amin’ny Fitsarana anaty mangarahara tanteraka sy lavitry ny kolikoly ary mandala ny lalàna fototra. Lahadinika ny fototry ny olana amin’ny sehatry ny Fitsarana. Ireo mpiofana no mila mandroso vahaolana. Harafitra ho boky ireo ary ho zaraina » hoy Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Fitsarana.

 « Ireo mpisehatra rehetra amin’ny asam-pitsarana, na Mpitsara, na Mpisolovava, na Mpiraki-draharaha, na Polisy sy Zandary sns. Tarigetran’ny Ministeran’ny Fitsarana ary fanamby apetraka ny hahatontonsa ireo rehetra ireo mba hivadika ho vokatra hita maso sy ho azo tsapain-tanana » hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera Atoa Imbiki Herilaza, izay nisolo tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.

Mpanohana akaiky izao hetsika izao ny « Organisation internationale de la francophonie » na OIF. Araka ny lahateny nataon’ny Mpisolotena maharitra monina sy miasa eto amintsika Rtoa Faouzia Abdoulhalik androany, dia mino sy manantena vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Vonona hatrany izy ireo ny hanohana ny Governemanta Malagasy hanatrarana ny tanjona.

Amin’ny fiafaran’ity atrikasa fiofanana ity no handrafetana ny boky ho zaraina amin’ny daholobe, ho fanajana ny Demokrasia, sy ny tany tan-dalàna araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo androany.