FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA.

📌 Androany 11 oktobra 2022 no nanatanterahana ny fotoam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fihanianana sy nametrahana tamin’ny fomba ofisialy an-dRamatoa RAZAFINDRAMARO Bodo Vololohanitra ho Lehiben’ny Fampanoavana Ambony eo anivon’ny Fitsarana Fandravana.
Nandritra ny nitafan’ny tamin’ny mpanao gazety no niresahany sy namaliany ireo teboka vitsivitsy:
⭕ Mahakasika ny asa, izay nanipihany fa hitohy hatrany ny fomba fiasa teo aloha izay nahitana fahombiazana miampy ireo vina sy paikady vaovao hapetraka.
⭕ Ny raharaha volamena izay mampametraka fanontaniana ny maro
⭕ Ireo olana sedraina eo am-panatanterahana ny asam-pitsarana.
🎥 Omena anao manontolo ny fanazavana nentin’i Ramatoa RAZAFINDRAMARO Bodo Vololohanitra, Lehiben’ny Fampanoavana Ambony eo anivon’ny Fitsarana Fandravana.

PEJY AN-TSARY:
⚖ Fotoam-pitsarana manetriketrika fandraisana ny fianianana sy fametrahana ny Lehiben’ny Fampanoavana Ambony R/toa RAZAFINDRAMARO Bodo Vololohanitra eo anivon’ny Fitsarana Fandravana teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony (Cour Suprême), sy ny fandraisana ny fianianany teo anatrehan’ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice).