Syndicat des Greffiers de Madagascar (SGM).

FITOKONAN’NY MPIRAKI-DRAHARAHA.
📌 Eo anatrehan’ny fitokonana izay ataon’ny Mpiraki-draharaha manerana ny Nosy, dia namaoka naoty ny Ministra ny herin’andro lasa teo fa tokony hisy hatrany ny “service minimum” ho fampandehanan-draharaha satria asa ho an’ny vahoaka no atao ka tsy tokony hijanona izany. Noho izany dia nisy ny fifampidinihan’ny solotenan’ny Sendikan’ny Mpiraki-draharaha tamin’ireo lehibe teto amin’ny Ministera izay notarihan’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François anio 10 Oktobra 2022 teto faravohitra.

➡ Naharitra ora maro ny dinika, izay nitondrana fanazavana misimisy kokoa mahakasika ilay naoty nivaoka , ary koa nifampidinika momba an’ireo taky napetraky ny sendika.

⭕ Anisany zo fototra ny fitokonana ka tsy nanakana mihitsy ny Ministera, fa kosa tsy tokony hanelingelina ny hafa sy ny asa izany hoy ny Ministra nanantitrantitra. Lalàna hatrany no harahana ka tsy tokony hisy tsindry na koa fandrahonana ho an’izay vonona ny hiasa.

Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpiraki-draharaha, A/toa RANDRIAMARO Alain Michel Ludovic.