Posted in Actualités

Fikaonandoham-pirene­na momba ny fananantany.

📸 Pejy an-tsary 08 Jona 2022.

⚖ Fikaonandoham-pirene­na momba ny fananantany.

✅Tontosa anio ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fikaonandoham-pirene­na momba ny fananantany izay hitadiavana vahaolana amin’ireo olana maro mianjady amin’ny vahoaka amin’ny resaka tany.

⭐ Nosokafan’ny Filoham-pirenena , A/toa Andry RAJOELINA ny fotoana ary niaraka nanantontosa sy namolavola ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananantany.

⭕Haharitra hateloana ity fikaonandoham-pirene­na momba ny fananantany ity.

Posted in Autres Evenements

Fankalazana ny faha-5 taonan’ny fikambanana mpanao Karate eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja.

📸 Pejy an-tsary 04 Jona 2022.

🥋Fankalazana ny faha-5 taonan’ny fikambanana mpanao Karate eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja.

🎉Tontosa anio 04 Jona 2022 ny fankalazana ny faha-dimy taonan’ny mpiangaly ny haiady Karate eo anivon’ny Fandraharahana ny fonja. Tao amin’ny trano malalaky ny E-media Ampasanimalo izany.

⭐Nanasa ireo mpiangaly haiady hafa eo anivon’ny Fandraharana ny Fonja tahaka ny Kung-Fu sy ny Kick boxing ary koa ny mpiangaly haiady karate avy amin’ny Antenimierampirenena­.

🔱Tonga nanome voninahitra sy nisolotena ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja ny Tale mpiandraikitra ny fiarovana ny Fonja (DSEP) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.

Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pahefana

⚖️ Fifamindram-pahefana.

➡️ Tontosa androany 03 Jona 2022 teto Ankorahotra ny Fifamindram-pitantanana teo amin’ i Ramatoa RASOLONANAHARY Vololoniaina, Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahintsiana (Directeur de la Promotion de l’Intégrité) teo aloha izay voatendry ihany koa ho Mpandrindra ny Birao misahana ny Fanaraha-maso ny Fitsarana sy ny Fonja (Bureau de Coordination, de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires), sy Andriamatoa RAZAFINJATOVO Meloniaina Herizo Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahintsiana (Directeur de la Promotion de l’Intégrité) vaovao.

Posted in Actualités

FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA « FIANIANANA ».

📸 Pejy an-tsary 03 Jona 2022.

⚖️ FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA « FIANIANANA ».

✅ Notontosaina anio 03 Jona 2022 teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny fianianan’ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Misahana ny Famerenana amin’ny Fanjakana ny Harena Rehetra azo tamin’ny tsy Ara-dalàna na « Directeur Général de l’Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites » (ARAI), A/toa RASOLOHARIMANANA Aimé.

➡️ Faha-dimy amin’ny rafitra dimy miady amin’ny kolikoly ity rafitra nanaovan’ny Tale Jeneraly fianianana ity ary haharitra dimy taona ny fe-potoana hitondrany izany.

Posted in Actualités

Fitsarana manetriketrika.

⚖️ FITSARANA TAMPONY.

📌 Fitsarana manetriketrika ny fihanianan’ny « Directeur Général de l’Agence de Recouvrement des Avoirs illicites » .