Posted in Actualités

Fananganantsaina natao teto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra.

📷 Pejy an-tsary 13 Jona 2022.

🇲🇬 ⚖ Fananganantsaina natao teto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra.

📌 Ilaina ny mitandrina ny fahasalamana.
➡ Nanamarika ny fananganan-tsaina anio Alatsinany teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana teto Faravohitra ny fahatongavan’ny Solotenan’ ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny Talen’ny Ofisy Nasionaly Miady amin’ny fifohana sy fihinana paraky (Office Nationale de Lutte Antitabac (OFNALAT)).

🚫 Nanentana ny tokony tsy hifohana sigara izy ireo, ary indrindra nilaza ireo voka-dratsy ateraky ny fifohana izany. Nilaza ihany koa ny Mpitsabo eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ny tokony hanamafisana ny fiarovana sy ny fanajana ny elanelana hiarovana amin’ny COVID 19, satria hita sy tsapa fa miha-mirongatra ireo hita mitondra izany.

⭕ Nisaotra ary nanome toro-marika ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François nandritra ny fandraisany fitenenana, ary nampatsiahy ireo zava-niseho ny herinandro lasa nahakasika ny “Fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany” izay niaraha-nisalahy tamin’ny Ministeran’ny Fananjariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny Fananan-tany natao tetsy amin’ny CCI Ivato ny 08,09,10 Jona 2022 lasa teo. Nisaotra sy nankasitraka ireo mpandray anjara mavitrika tamin’ny fanatontosana izany ny tenany.