FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA « FIANIANANA ».

📸 Pejy an-tsary 03 Jona 2022.

⚖️ FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA « FIANIANANA ».

✅ Notontosaina anio 03 Jona 2022 teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny fianianan’ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Misahana ny Famerenana amin’ny Fanjakana ny Harena Rehetra azo tamin’ny tsy Ara-dalàna na « Directeur Général de l’Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites » (ARAI), A/toa RASOLOHARIMANANA Aimé.

➡️ Faha-dimy amin’ny rafitra dimy miady amin’ny kolikoly ity rafitra nanaovan’ny Tale Jeneraly fianianana ity ary haharitra dimy taona ny fe-potoana hitondrany izany.