Posted in Actualités

⚖ FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌 Tonga nanao Fitsidihana ara-pomba fanajana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra ny Solotena maharitra avy amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) R/toa Natasha Van Rijn androany 27 Jolay 2022.

➡ Naneho ny fiaraha-miory tamin’ny namoizana ny DGAP vao tsy ela izay ny tenany ary eo amin’ny lafiny asa indray dia nifampidinihana ireo raharaha maro samy hafa hahafahana manohy ny fiaraha-miasa ary indrindra ny ho fanatsarana izany. Betsaka ireo tetik’asa vinavinaina, anisan’izany ny fanatsarana fotodrafitr’asa sy ny fampitaovana ny eo anivon’ny fonja eraky Madagasikara ary koa ireo fitsarana.

🎥🎤 Mitondra ny andinindininy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François arahan’ny Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara, Rtoa Natasha Van Rijn.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Taorian’ny fampahafantarana mikasika ny fisaraham-panambadiana na « Divorce » dia indro lohahevitra vaovao indray no entina amintsika dia ireo tsara ho fantatra mikasika ny solon-tsakafo na « Pension alimentaire ».

🔷 INONA NY ATAO HOE « SOLON-TSAKAFO »
• Vola aloan’ny ray na ny reny amin’ny iray amin’izy ireo entina iantsorohana ny famelomana ny zaza iombonana (nateraka na natsangana na nozanahana),
• Adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny ny mikarakara sy mandray an-tànana ny fiainana sy ny fianaran’ny zanany,
• Ferana arakaraky ny fidiram-bolan’ny andaniny sy ny ankilany ary ny filàn’ireo zanany.

🔷 RAHOVIANA NO AFAKA ANGATAHINA IZANY ?
 Amin’ny fotoana hampidirana ny fangatahana ny fisaraham-panambadiana eny anivon’ny Fitsarana,
 Ho an’ireo ray aman-dreny tsy vita soratra ara-panjakana kosa fa nanjanaka ilay zaza iombonana fotsiny ihany ny rainy dia afaka mangataka izany eny anivon’ny Fitsarana ny iray amin’izy ireo izay mihazona ny zaza iombonana.
🔷 IZA NO FITSARANA MAHEFA RAHA HANAO FANGATAHANA :
Fitsarana Ambaratonga Voalohany (Fitsarana ady madio) ao amin’ny toeram-ponenan’ny toriana

Posted in Autres Evenements

Atrik’asa fanohizana ny fanatsarana ny fampianarana.

⚖ ENMG (Sekolim-pirenena fanofanana mpianatra ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha).

🔷 Atrik’asa fanohizana ny fanatsarana ny fampianarana.

📌 Notontosaina anio 28 jolay 2022 tao amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano ny dingana fahatelo ny amin’ny hampidirana ny taranja mahakasika ny « Ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny zava-boary arovana sy ny zava-manan’aina dia » ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra ho mpitsara. Izany dia nahitana ny fandraisana anjara ny WWF, BIANCO sy ireo manam-pahaizana manokana mahakasika io lohahevitra io.

⭐ Izao ezaka fanatsarana ny fandaharam-pianarana ho an’ny mpianatra ho Mpitsara izao dia tsy tontosa raha tsy nisy ny fanohanana avy amin’ny vahoaka Amerikana (USAID).
Ity dingana manaraka tontosaina anio ity dia natao indrindra andraisana ny soson-kevitra fanatsarana izay naroson’ireo mpandray anjara maro samihafa.

⭕ Volavolam-pandaharam-pianarana mifanandrify amin’ny lohahevitra izay voalaza etsy ambony, handraisana ireo mpianatra andiany faha-2022, no vokatra azo tao aorian’ny atrik’asa.

Posted in Annonces et Informations

🔴 FILAZANA MAIKA

📌Noho ny lositra izay nitranga tao amin’ny fonjaben’Ambalatavoangy Toamasina androany 27 jolay 2022 izay nahalasa voafonja miisa 3 ka ny iray no efa tafaverina.
Araka izany dia iangaviana sy ilazàna isika rehetra izay manana vaovao na mahafantatra izay mety misy azy ireo mba hampilaza avy hatrany ny manampahefana na tompon’andraikitra ny filaminana akaiky azy.

✅Tazonina ho tsiambaratelo ny momba ireo izay milaza ny vaovao.
❌Hampafantarina fa raha mahafantatra vaovao momba izany ka tsy miteny na ihany koa manafina dia raisina ho mpiray tsikombakomba ary ho henjehin’ny lalàna ihany koa.
➡ Ireto ny mombamomba ireo voafonaja roa mbola karohina :
– RAFANOMEZANTSOA Rawilson Berthin dit Fano, écroué le 16.11.19 pour vol de numéraire et divers objets avec port d’arme.
– LEXANDRE écroué le 29.09.18 a maroantsetra pour vol avec port d’arme et association des malfaiteurs.

Posted in Autres Evenements

FANATSARANA FOMBA FIASA MIARAKA AMIN’IREO HOLAFITRY NY MPISOLO VAVA.

📌 Tafiditra tanteraka anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Minisitry ny fitsarana ankehitriny ny fanamorana ny fanatonana ny fitsarana na ny « accès à la justice ». Notontosaina androany 27 jolay 2022 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny fihaonana teo amin’ny solotenan’ny Ministeran’ny fitsarana izay notarihin’ny Tale jeneraly misahana ny raharaham-pitsarana, ny fandinihana ary ny fanavaozana (DGAJER), Ramatoa RAKOTONDRAJERY R. Salohy niaraka tamin’ ireo mpiara miasa aminy andaniny sy ny Holafitry ny Mpisolo Vava, notarihan’ny Lehiben’ny Holafitry ny Mpisolo vava, Me Alain RAONDRY sy ireo mpikambana ao amin’ny Filan-kevitry ny Holafitra ankilany.

➡ Ny fifanakalozana natao no nampivoitra ny fitoviam-pijery teo amin’ny roa tonta ny tokony hahamatihanina misimisy kokoa ireo mpiasan’ny fitsarana amin’ny fanajana ny zon’ireo manandraharaha eny anivon’ny fitsarana sy ny faneken’ny holafitry ny mpisolo vava ny ho fandaminana izay ho avoaka amin’ny alàlan’ny fenitra amin’ny fanatanterahana ny asa na ny « standard de service  » izay ho apetraka hanankery eny anivon’ny fitsarana manerana ny Nosy. Izany no ho atao dia ny hisitrahana mitovy ny tolotra omen’ny sapandraharaham-pitsarana na ny « service public de la justice « .

⭕ Marihana moa fa anisan’ny teboka nodinihana nandritra ny « Symposium des Magistrats » rahateo ny tsy fahatomombanana eny anivon’ny seha-pitsarana izay misy andraikitry ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny Fitsarana na io Mpitsara, na Mpiraki-draharaha, na Mpisolo vava, na Vadintany, na Mpahay, na Mpikaroka ny fandikan-dalana na ny manan-draharaha eny @ Fitsarana…

✅Teboka maro no nifanakalozana ka anisan’ny tapaka tamin’izany ny tokony ametrahana Komity hanaramaso ny fanajana sy fanatanterahana ireo vahaolana miankina amin’ny roa-tonta. Izany Komity izany moa dia tsy hoe rafitra hiteraka fandaniana akory fa lamina avy @ finiavan’ny roa-tonta ho fampandehana antsakany sy andavany ny asam-pitsarana. Hifanome tanana misimisy kokoa manomboka eto ny Holafitry ny Mpisolo vava sy ny Ministeran’ny Fitsarana mba hanatanterahana ireo fanatsarana ezahana apetraka.