Posted in Autres Evenements

FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA TAO AMIN’NY FARITRA ITASY.

⚖️ FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA TAO AMIN’NY FARITRA ITASY.

📌 Tontosa tao Miarinarivo ny 22 sy 23 jona 2022 sy tao Arivonimamo ny 24 jona 2022 lasa teo ny fanapariahana lalàna sy paik’ady ara-pitsarana notanterahin’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives) ho fanatanterahana ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana hoe « Fitsarana manakaiky vahoaka ».
Tetik’asa izay notohanan’ny PAJMA.

🔷 Anisan’ny nisitraka izany ireo Ben’ny tanàna sy ny lefiny, ireo lehiben’ny boriborintany sy ireo mpitantsoratry ny sora-piankohonana ao amin’ireo Kaominina miisa 53 mandrafitra ireo Distrika 3 (Soavinandriana, Miarinarivo ary Arivonimamo) ao anatin’ny Faritra Itasy, fa indrindraindrindra ireo mponin’i Miarinarivo sy Arivonimamo.

➡ Ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mikasika ny fiankohonana, ny lalàna laharana vaovao laharana 2019-008 tamin’ny 16 janoary 2020 momba ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy, ny manodidina ny fandovana sy ny fananan-tany ary ny paik’ady arahina eo anatrehan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana no anisan’ny lohahevitra novelabelarina tamin’izany.
Tanjona amin’izany rehetra izany moa dia ny hahalalan’ny vahoaka ireo lalàna vaovao eto amin’ny tany sy ny Firenena fa indrindra ihany koa ny hahafantaran’izy ireo ny mikasika ny paik’ady eny anivon’ny Fitsarana mba tsy hahatompotrano mihono an’ireo izay manandraharaha.

⭕ Mitohy ny ezaka izay ataon’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (DERL) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ka toerana maro samihafa no mbola hisitraka izany fidinana ifotony izany amin’ity taona ity.

Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pahefana.

📸 Pejy an-tsary 23 Jona 2022.

🔱 Fifamindram-pahefana.

⭕ Notanterahina androany maraina teto amin’ny foiben’ny BCCJEP Ankorahotra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Talen’ny Fitsirihina ny Fandraharahana ny Fonja na “Directeur de l’Inspection Pénitentiaire” (DIP) teo aloha , A/toa IRAMANJAFINIMALO RAFALY Omega sy ny Tale vaovao, A/toa ANDRIANASOLO Haja Lalaina Elià, “Inspetceur d’Administration Pénitentiaire”.