Posted in Autres Evenements

Fivoriana faharoan’ny Komitin’ny Fitantanana ny Fandaharanasa Fanohanana ny Sehatry ny Fonja Malagasy « FANARENANA »

📸 Pejy an-tsary 14 Jona 2022

  Fanohanan’ny firenena Frantsay, amin’ny alalan’ny AFD (Agence Française de Développement) ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny fiarahamonim-pirenena mahakasika ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo voafonja, ny famerenana azy eo anivon’ny fiaraha-monina ary ny zava-misy iainan’ny mpiasan’ny fonja eto Madagasikara amin’ny sehatry ny asa.

👉 Notanterahina androany 14 Jona 2022 tato amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fivoriana faharoan’ny Komitin’ny Fitantanana ny Fandaharanasa Fanohanana ny Sehatry ny Fonja Malagasy « FANARENANA », notarihin-dRamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana RABY Savatsarah Gabrielle. Ity fihaonana ity dia nahitana ny fandraisa’anjaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny fonja foibe sy ny isam-paritra, ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena, ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka, ary koa ny fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena izay arafitr’ireo tompon’ny tetikasa. Ity fandraisan’anjara ity dia manatanteraka ny fifampidinihana napetraka ao amin’ny FANARENANA, miaraka amin’ireo ministera hafa voakasik’izany.

➡ Niompana indrindra tamin’ny fankasitrahana ny hetsika natao hatramin’izay sy ny famaritana ny paikady hironana ary ny fomba fijery ho an’ny tapany faharoa amin’ny taona ny fandaharam-potoana.

Tatitra COPIL FAMERENANA 2022