Posted in Autres Evenements

Fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy

📸Pejy an-tsary Alatsinainy 07 Martsa 2022

🇲🇬 Fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy
⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy, andiany 2021 ao amin’ny ENMG, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.

⚖️Tontolon’ny Fitsarana Malagasy :
Hatao lahadinika ny fiainan’ny Fitsarana

📌Zava-dehibe loatra amin’ny fizotry ny raharaham-pirenena, ny tontolon’ny Fitsarana. Noho izany, dia hisy ny loabary an-dasy tarihin’ireo Lehiben’ny Fitsarana Tampony arahana adihevitra, ho tontosaina ny Alakamisy 10 Martsa ho avy izao. Maromaro ireo lahadinika mandrafitra ny fandaharam-potoana :
👉Ohatra ny momba ny fiainan’ny Fitsarana Malagasy amin’ny ankapobeny,
👉Manaraka izany ny toerana misy ny Fitsarana amin’izao fotoana izao,
👉Eo koa ny fahafantaran’ny olona ny Fitsarana,
👉Tsy ambanin-javatra ireo mbola fanatsarana tokony hatao,
👉Ary farany nefa tsy kely indrindra, ny lalàna momba ny Fitsarana Tampony.

✳️Nivoitra ireo, nandritra ny fananganan-tsaina, natao androany Alatsinainy 07 Martsa 2022 teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy. Ho tontosaina ny Alakamisy ho avy izao tokoa mantsy ny famaranana ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Fitsarana Tampony, ka izay indrindra no hanaovana io loabary an-dasy io.

💡Mitondra fanazavana tahaka izao ny Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Tampony (PPCS), Atoa RAJAONA Andriamanakiandrianana.

Posted in Autres Evenements

Fambolen-kazo teny Tsiafahy

📸 Pejy an-tsary Zoma 04 Martsa 2022
👉 Fambolen-kazo an’ny Ministeran’ny Fitsarana, teto Tsiafahy

⚖️ Asam-pitsarana :
Ainga vao no atsangana izao

📌 Araka ny Velirano nataon’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia ny asa no imasoana amin’ity taona ity. Ho an’ny tontolon’ny Fitsarana, dia ny fananganana no hilofosana. Porofon’izany, ny fandraisan’anjara mavitrika tamin’ny fambolen-kazo notontosaina ny Zoma 04 Martsa teny Tsiafahy. Adidy amin’ny Firenena sy ny taranaka.

➡️ Mpiasa 400 no namboly zanakazo miisa 1510 (Kininina 800, Acacia 600, 50 poara, 50 Paoma, 10 hazo fandravahana tanàna). Ankoatra izay, fotoana kely foana sisa no andrasana, dia ho vita ireo fotodrafitrasa vaovao naorina. Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) sy Fonja manara-penitra, amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy.

*️⃣ Asa fananganana tsy azo adinoina ihany koa ny fidiran’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy andiany 2021 tontosa tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny Sekoly manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna. 4 taona izay no tsy nisian’ny fifananana hidirana ao.

🔶 Ny fanarenana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa simba tamin’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy teto Madagasikara, dia tafiditra ihany koa anatin’ny ezaka fananganana.

💡 Mitondra fanazavana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy, andiany 2021 ao amin’ny ENMG

📸 Pejy an-tsary Alakamisy 03 Martsa 2022

⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy, andiany 2021 ao amin’ny ENMG, teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra.

⭐ Nandray azy ireo ny Minisitra, mitantana vonjimaika ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RANAMPY DAMA Marie Gisèle, notronin’ ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, sy ny Talen’ny Kabinetra Atoa BARAKA Jean Arnaud.

Posted in Actualités

Fotoam-pitsarana Manetriketrika teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy

📸 Pejy an-tsary Alakamisy 03 Martsa 2022
⚖️ Fotoam-pitsarana Manetriketrika teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, nandraisana ny fianianan’ireo Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony (Procureur Général près la Cour d’Appel) ao Mahajanga sy Antsiranana:
⭐ Atoa RANTSIMANDRATO Jean Jacques William, PGCA Mahajanga
⭐ Rtoa DJAOJOMA Colette Julie, PGCA Antsiranana

Posted in Autres Evenements

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra ho Mpitsara

📸 Pejy an-tsary Alarobia 02 Martsa 2022
⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy, andiany 2021 ao amin’ny ENMG, teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra.
⭐ Nandray azy ireo voalohany, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, nanaraka azy kosa ny Talen’ny Kabinetra, Atoa BARAKA Jean Arnaud.