Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIKADY ARA-PITSARANA

📌 Indro ary entina amintsika indray amin’ity herinandro ity ireo tsara ho fantatra mikasika ny atao hoe fananganana sy ny fianahana izay anisan’ireo trangam-piankohonana­ ka manova ny fiankohonan’ny olona iray.

🔷 NY FANANGANANA (ADOPTION):
👉 Miteraka zo sy adidy eo amin’ny mpanangana sy ny atsangana.
👉 Misy karazany roa ny fananganana: ny fananganana tsotra sy ny fananganana feno na ara-pitsarana.

➡️ Ny fananganana tsotra dia soratra manan-kery eo anatrehan’ny lalàna, hamoronana fifandraisana ara-pianakaviana eo amin’olon-droa tsy misy rohim-pihavanana, na hanamafisana fifandraisana eo amin’olon-droa izay efa mpihavana na efa misy rohim-pihavanana.
🔺 Ny fananganana tsotra izany dia tsy manapaka ny rohim-pihavanana nisy teo amin’ilay mpanangana sy ilay natsangana raha toa ka mpihavana izy ireo.
🔺Ny fananganana tsotra dia atao eo anatrehan’ny Mpiandraikitra ny fiankohonana eo amin’ny toeram-ponenana mahazatra an’ilay mpanangana ;

⭐ Porofon’ny fananganana tsotra : sora-pananganana tsotra (acte d’adoption simple) ataon’ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana

➡️ Ny fananganana feno na ara-pitsarana dia fomba iray nofaritan’ny lalàna ahafahana mametraka ny fianahana ara-dalàna eo amin’ny mpanangana sy ny atsangana, izay manome an’ity farany ny toetra maha zanaka ara-dalàna.
🔺 Tapaka tanteraka ny fianahana eo amin’ilay zaza izay natsangana feno sy ireo ray aman-dreny niteraka azy.
🔺 Ny fananganana feno dia ambara amin’ny alalan’ny didim-pitsarana.
🔺 Ny didim-pitsarana raikitra dia entina hanaovana ny fandikana ao amin’ny bokim-piankohonana (transcription) any amin’ny kaominina nahaterahan’ilay zaza atsangana. Ny sora-pahaterahana teo aloha an’ilay zaza natsangana dia misolo vaovao tanteraka.

⭐ Porofon’ny fananganana feno : sora-pananganana feno (acte d’adoption plénière) sy ny sora-pahaterahana vaovao ary ny soratra an-tsisiny amin’ny sora-pahaterahana taloha an’ilay natsangana.

🔷 NY FIANAHANA (FILIATION):
👉 Ny fianahana dia ilazana ireo loharano nipoiran’ny olona iray: ny ray sy ny reny.
⭐Avy amin’ny RENY dia ny fiterahana no manaporofo izany.
⭐Avy amin’ny RAY kosa dia ny fanambadiana, ny fanjanahana na ny fanambarana ara-pitsarana (déclaration judiciaire de paternité) no porofony.

Hamaranantsika ity fampahafantarana lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny fiankohonana ity amin’ny herinandro dia ny mikasika ny fanariana anaka (rejet) sy ny fanjanahana (reconnaissance)