Mois : février 2022
Fananganan-tsaina teto amin’ny Fonjan’Antanimora.
📸 Pejy an-tsary Alatsinainy 28 Febroary 2022:
🇲🇬 Fananganan-tsaina teto amin’ny Fonjan’Antanimora.




















Asa fanarenana taorian’ny rivodoza: Fidinana ifotony any Atsimo Atsinanana
⚖️ Asa fanarenana taorian’ny rivodoza:
Fidinana ifotony any Atsimo Atsinanana
📌 Misy ireo takaitra sy fahasimban’ny fotodrafitrasa taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza 2 farany tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Maro ireo asa fanarenana atao, na eo anivon’ny Fonja na eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI).
➡️ Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, tarihin’nyTale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy ny Fampitaovana (DGPR), Atoa RAVELOSON Aimé Gilbert, no manatontosa fidinana ifotony, any Mananjary, Manakara, Vangaindrano ary Farafangana.
Ireto ny fitaovana natolotra :
– Latabatra 2
– Caisson Mobile 2
– Armoara kely 2
– Latabatra birao 3
– Seza birao 5
– Solosaina 2
– Ondulaur 2
– Imprimante 2
– Gel Main 120 tavoangy
– Desinfectant pour sol 15 boaty
– Savon liquide 15
👉 Entina an-tsary ireo fitaovana natolotra, sy ny fidinana ifotony tao Mananjary.




























Lanonana ara-miaramila famindram-pahefana amin’ny fibaikoina (passation de commandement) eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasikara.
📸 Pejy an-tsary Zoma 25 Febroary 2022 – CCI Ivato:
⚖️ Lanonana ara-miaramila famindram-pahefana amin’ny fibaikoina (passation de commandement) eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasikara.
⭐ Nandray ny toerany ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja vaovao (DGAP), ny « Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire » IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga.












































274596855_300130155545397_3021380119555955025_n
274596855_300130155545397_3021380119555955025_n


































































« Hanatsara hatrany isika » hoy ny DGAP
📌 Hanatsara hatrany araka ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Ohatra ihany ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanajana ny Zon’olombelona. Mazava ny tarigetra, sy ireo toromarika ho an’ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasikara.
👉 Tontosa androany Zoma 25 Febroary 2022, teny amin’ny CCI Ivato, ny lanonana ara-miaramila, famindram-pahefana eo amin’ny fibaikoina (Passation de commandement) eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasikara.
⭐ Nandray ny toerany sy ny fibaikoina, ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP) vaovao, ny « Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire » IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga.
➡️ Nitarika ny lanonana, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana mpisolo toerana, Rtoa RANAMPY DAMA Marie Gisèle, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, izay teo ambany fiahian’Atoa Praminisitra Lehiben’ny Governemanta.
💡 Tahaka izao ny fanazavana nomen’Atoa DGAP, ny « Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire » IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga.
Fampahafantarana lalàna:
👉 Indro ampahafantarina antsika mpanaraka ny pejy, mandritra ny herinandro maromaro ny mikasika ny lalàna vaovao momba ny fiankohonana (état civil).
📌 Raha ny lalàna laharana 61-025 tamin’ny 09 oktobra 1961 no nifehy ny fiankohonana hatramin’izay, dia niova ho ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 Febroary 2019 no mifehy izany manomboka izao.
⭐ IRETO AVY IREO TOKONY HO FANTANTSIKA MIKASIKA NY FIANKOHONANA SY IREO FANOVANA NENTIN’NY LALANA VAOVAO MIKASIKA IZANY :
🔶 1- Inona no atao hoe fiankohonana (état civil) ?
🔹Ny fiankohonana dia fitambarana singa hamantarana olona iray sy ny toerana misy azy eo anivon’ny fianakaviana sy fiaraha-monina, izay mamaritra ny fahafahany manao sy ny fahazoany manatontosa soratra araky ny lalàna.
Ohatra : teraka, manambady, maty vady, nisara-bady, maty ….
🔶 2- Inona indray no antsoina hoe sora-piankohonana (acte d’état civil) ?
🔹Ny sora-piankohonana dia soratra iray izay aneken’ny manam-pahefana ara-panjakana amin’ny fomba toavina ho misy ny trangan-javatra iray izay iankinan’ny mombamomba ny olona iray.
🔶 3- Inona no ilàna ny bokim-piankohonana (livret de famille) ?
🔹Bokim-pianakaviana no tena ahalalan’ny maro azy,
🔹Hanoratana sy handikàna isaky ny vanim-potoana sy isan-taona ny fanambarana ny sora-piankohonana voaray,
🔹Hametrahana ireo filazana an-tsisiny araky ny fotoana voatondro hanoratana azy ao anatin’ny sora-piankohonana,
🔹 Porofo aseho rehefa hikarakara taratasy ara-panjakana
🔶 4- Inona no atao hoe trangam-piankohonana (faits d’état civil) ?
🔹Ny trangam-piankohonana dia ireo zava-miseho mandritra ny fiainan’ny olona iray izay mety hanova ny fiankohonany.
👉 Ireto avy ireo karazana trangam-piankohonana:
– ny fahaterahana (naissance),
– ny fahafatesana (décès),
– ny fanambadiana (mariage),
– ny fisaraham-panambadiana (divorce),
– ny fananganana (adoption),
– ny fianahana (filiation),
– ny fanariana (rejet),
– ny fanjanahana (reconnaissance)
📌 Hojerentsika tsirairay indray ny mikasika ireo trangam-piankohonana ireo amin’ny herinandro
✔️ Natolotry ny Sampandraharan’ny Fanapariahana Lalàna (Service de la Vulgarisation Juridique) ao amin’ny Foibem-pitondrana Fandinihana sy Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives – DERL) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Dinikasa niaraka amin’ireo DRAP sy CE











































