Fambolen-kazo teny Tsiafahy

📸 Pejy an-tsary Zoma 04 Martsa 2022
👉 Fambolen-kazo an’ny Ministeran’ny Fitsarana, teto Tsiafahy

⚖️ Asam-pitsarana :
Ainga vao no atsangana izao

📌 Araka ny Velirano nataon’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia ny asa no imasoana amin’ity taona ity. Ho an’ny tontolon’ny Fitsarana, dia ny fananganana no hilofosana. Porofon’izany, ny fandraisan’anjara mavitrika tamin’ny fambolen-kazo notontosaina ny Zoma 04 Martsa teny Tsiafahy. Adidy amin’ny Firenena sy ny taranaka.

➡️ Mpiasa 400 no namboly zanakazo miisa 1510 (Kininina 800, Acacia 600, 50 poara, 50 Paoma, 10 hazo fandravahana tanàna). Ankoatra izay, fotoana kely foana sisa no andrasana, dia ho vita ireo fotodrafitrasa vaovao naorina. Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) sy Fonja manara-penitra, amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy.

*️⃣ Asa fananganana tsy azo adinoina ihany koa ny fidiran’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy andiany 2021 tontosa tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny Sekoly manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna. 4 taona izay no tsy nisian’ny fifananana hidirana ao.

🔶 Ny fanarenana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa simba tamin’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy teto Madagasikara, dia tafiditra ihany koa anatin’ny ezaka fananganana.

💡 Mitondra fanazavana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle.