Posted in Autres Evenements

Fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy

📸Pejy an-tsary Alatsinainy 07 Martsa 2022

🇲🇬 Fananganan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy
⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy, andiany 2021 ao amin’ny ENMG, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.

⚖️Tontolon’ny Fitsarana Malagasy :
Hatao lahadinika ny fiainan’ny Fitsarana

📌Zava-dehibe loatra amin’ny fizotry ny raharaham-pirenena, ny tontolon’ny Fitsarana. Noho izany, dia hisy ny loabary an-dasy tarihin’ireo Lehiben’ny Fitsarana Tampony arahana adihevitra, ho tontosaina ny Alakamisy 10 Martsa ho avy izao. Maromaro ireo lahadinika mandrafitra ny fandaharam-potoana :
👉Ohatra ny momba ny fiainan’ny Fitsarana Malagasy amin’ny ankapobeny,
👉Manaraka izany ny toerana misy ny Fitsarana amin’izao fotoana izao,
👉Eo koa ny fahafantaran’ny olona ny Fitsarana,
👉Tsy ambanin-javatra ireo mbola fanatsarana tokony hatao,
👉Ary farany nefa tsy kely indrindra, ny lalàna momba ny Fitsarana Tampony.

✳️Nivoitra ireo, nandritra ny fananganan-tsaina, natao androany Alatsinainy 07 Martsa 2022 teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy. Ho tontosaina ny Alakamisy ho avy izao tokoa mantsy ny famaranana ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Fitsarana Tampony, ka izay indrindra no hanaovana io loabary an-dasy io.

💡Mitondra fanazavana tahaka izao ny Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Tampony (PPCS), Atoa RAJAONA Andriamanakiandrianana.