Posted in Autres Evenements

Fampiofanana ireo mpampiofana teo anivon’ny fandraharahana ny Fonja.

⚖️ Fandraharahanan’ny Fonja

✅ Ny 29 aprily 2022 no nifarana tao amin’ny ENAP (Ecole Nationale d’Administration Pénitentaire) France ny fiofanana ho mpampiofana izay nandraisan’ ireo mpampiofana miisa 5 avy aty amin’ny ENAP Antetezambaro Madagascar.

➡️ Naharitra 10 andro izany fiofanana izany raha toa ka nanomboka ny 19 aprily 2022 lasa teo. Nifantoka tanteraka tamin’ ny lafiny fampiofanana izany fiofanana izany ( formation des formateurs ) ary namatsy ara-bola izany ny  » Agence Française de Développement « tamin’ ny alalan’ ny tetikasa PAJMA (Projet d’Appui à la Justice à Madagascar ».

⭐ Antenaina fa hanamafy ny fahalalàna sy ny fahaiza-manaon’ izy ireo izany ka hanatsara sy hampivoatra hatrany ary hifanaraka amin’ny vanin’andro ankehitriny ny fampiofanana ao amin’ny ENAP Antetezambaro Madagascar.

👉 Anio 30 aprily 2022 izy ireo no hitodi-doha hiverina eto an- tanindrazana. Tolorana fisaorana noho izany ny « Agence Française de Développement » na AFD, ny PAJMA ary ny ENAP France noho ny fanohanan’ izy ireo tsy tapaka ny ENAP Madagascar.

📌 Marihina fa efa eo am-pamolavolana ny fifanaraham-piaraha-miasa (convention de jumelage ) ankehitriny ny tompon’ andraikitra eo anivon’ny ENAP FRANCE sy ny ENAP MADAGASCAR. Tanjona dia ny fanatsarana hatrany ny fitantanana sy ny fampiofanana ao amin’ny ENAP Antetezambaro Madagascar.

Posted in Actualités

Famotehana ampahibemaso ireo basy tsy ara-dalàna.

📸 Pejy an-tsary 29 Aprily 2022

Famotehana ampahibemaso ireo basy tsy ara-dalàna 1089 sy bala 40 isa teo alohan’ny Lampan’ny tanànan’Antananarivo­, izay notarihan’ny Tafika Malagasy ary nandraisan’ny Ministeran’ny Fitsarana anjara.

Posted in Autres Evenements

Fivoriana niarahan’ny Ministeran’ny Fitsarana tamin’ireo Mpiara-miombon’antok­a sy ireo mpamatsy vola (Partenaires Technique et Financier).

📸 Pejy an-tsary 29 Aprily 2022

Fivoriana niarahan’ny Ministeran’ny Fitsarana tamin’ireo Mpiara-miombon’antok­a sy ireo mpamatsy vola (Partenaires Technique et Financier) izay natao tao amin’ny Tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra, notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, R/Toa RABY Savatsarah.

✅ Nivory sy nifampidinika tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpamatsy vola na PTF ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana androany 29 Aprily 2022 mba hampafantatra ny asa sy andraikitr’ireo mpiantsehatra tsirairay eto anivon’ny Ministera, ary koa ireo vinavina tiana ho tanterahana mba hahafahana mahita ny tena azo hanampiana ny Ministera.

➡️ Nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety dia nitondra fanazavana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, R/toa RABY Savatsarah niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Raharaham-pitsarana, ny Fandinihana ary ny Fanavaozana (DGAJER), R/toa RANDRIANARISOA RAKOTONDRAJERY Salohy ny anton’ny fivoriana ary ihany koa nanome fanazavana tsotsotra momba ny Sorampiakohonana, momba ilay filazana izay nivoaka amin’ny fandraisana mpiasa vaovao amin’ny alalànan’ny fifaninana hidirana ao amin’ny sekoly mpampiofana ho mpitsara sy mpirakidraharaha na koa ho mpandraharaha ny fonja. Teo ihany koa ny fanamarihana sy fitondrana fanazavana momba ireo raharaha niteraka resabe ao amin’ny tambanjotra sosialy na ilay resaka fanolanana na ilay fanimbana sekoly manarampenitra.

💡 Indro atolotra anao izany valan-dresaka izany.

Posted in Actualités

Fitsidiana ara-pomba fanajana

📸 Pejy an-tsary 29 Aprily 2022
⚖️ 🇮🇷 Fitsidiana ara-pomba fanajana
Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana sy niarahaba ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François ny Masoivoho Mpisolo toerana Iranian (chargé d’affaires en pied de la République Islamique d’Iran) eto Madagikara, A/toa Hassan Ali BAKSHI teto Faravohitra.

Posted in Autres Evenements

Tetikasa RCIPED (Renforcement des Capacités Institutionnelles pour la Promotion de l’Etat de Droit)

⚖️ Tetikasa RCIPED (Renforcement des Capacités Institutionnelles pour la Promotion de l’Etat de Droit)

Fanamafisana ny fanohanana ny Fanjakana tsara tantana, fanajana ny Zon’Olombelona ary fametrahana ny Tany tan-dalàna.
✅ Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny PNUD. Notanterahana androany 27 Aprily 2022 tao amin’ny tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny Fivoriana izay mahakasika ny tetikasa RCIPED na « Renforcement des Capacités Institutionnelles pour la Promotion de l’Etat de Droit » izay manana tanjona hametraka lamin-drafitra tsara fototra sy mirindra mba hahazoana fandraisan’andraikit­rin’ny tsirairay ao anatin’ny fikarakarana ny fandaharan’asa.

⭐ Ity tetikasa RCIPED ity moa dia tetikasa izay tohanan’ny PNUD. Raha ho an’ny Fitsarana manokana dia miompana kokoa amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana, fanamafisana ny tarigetran’ny Fitsarana manakaiky vahoaka ary ny fiadiana amin’ny kolikoly.
Nosokafan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana.