FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Hamaranana ireo tsara ho fantatra mikasika ny solon-tsakafo na « Pension alimentaire » dia entina amintsika indray androany ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany sy ny saran’ny fampidirana fangatahana eny amin’ny Fitsarana.

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
👉 Taratasy fangatahana alefa amin’ny Lehiben’ny Fitsarana, misy ny adiresy mazavan’ny mpangataka sy ny toriana ary mamaritra mazava tsara ny mari-bola angatahana,
👉 Ny sora-panambadiana sy ny dika mitovin’ny bokim-pianakaviana (raha nisoratra ara-panjakana),
👉 Ny sora-pahaterahan’ireo zaza iombonana (nateraka na natsangana na nozanahana),
👉 Ny sora-panjanahana na sora-pananganan’ireo zaza iombonana,
👉 Ny taratasy fanamarinana ny vola miditra amin’ ireo ray aman-dreny (ohatra : fanamarinan-karama),
👉 Ny taratasy rehetra manamarina ny fandaniana momba ireo zaza (ohatra : rosia nandoavana ny saram-pianarana, ny fandaniana aminy isam-bolana).

🔸 Tsy voafetra ho ireo ny taratasy ilaina fa mety misy hafa ihany koa izay takian’ny Fitsarana.

🔷 AVANTANA AMIN’IZA ARY IREO REHETRA IREO ?
Amin’ny Lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana.

🔷 SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA
• Roa arivo sy telo alina Ariary (32.000 Ar)
• Izay aloa ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana ka manome rosia nandoavana izany