FITSIDIANA ARA-POMBA FANAJANA.

⚖ FITSIDIANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌Fitantanam-bola madio no ilaina. Izay no tena votoatin’ny resaka nifanaovan’ireo solontena mpamita iraka avy ao amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na “Fond Monaitaire Internationale” (FMI) izay nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra anio hariva 30 Mey 2022.

➡️Anisan’ireo mpanohana ara-bola amin’ny sehatra maro samihafa ny FMI eto Madagasikara, ary nasongadina nandritra ny fitsidihana ny hanamafisana ny fitantanam-bola araka ny tokony ho izy ,sy ny ady amin’ny kolikoly.

💡Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny « Chef de mission du FMI Madagascar » , A/toa Frédéric Lambert.