FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY « ABSENCE ET DISPARITION » NA NY OLONA TSY HITA EO AMIN’NY TOERAM-PONENANY INTSONY NO SADY TSY ANDRENESAM-BAOVAO SY NY OLONA TSY HITA POPOKA.

⚖️ Taorian’ny fampahafantarana ireo tsara ho fantatra mikasika ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 Febroary 2019, mifehy ny fiankohonana iny dia ho entina amintsika indray mandritry ny herinandro maromaro ny mikasika ny atao hoe « Absence et Disparition » na ny olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao sy ny olona tsy hita popoka.

Seho mateti-pitranga eto amintsika izy ity kanefa dia mbola vitsy amintsika ny mahalala izay fepetra tokony ho raisina rehefa tojo azy. Izay no antony ampahafantarana antsika ny mikasika ity tranga ity.

✅ Ny lalàna mifehy izany dia ny andininy 14 ka hatramin’ny 41 ao amin’ny didy hitsivolana ny laharana faha 62-003 tamin’ny 24 jolay 1962 momba ny anarana, ny toeram-ponenana sy ny tsy fahitana olona eo amin’ny toeram-ponenany no sady tsy andrenesam-baovao. Ny tanjon’ny lalàna dia ny fiarovana ny fananan’ireo sokajin’olona voalaza teo ireo.

⭐ Samihafa ny atao hoe olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao na « absent » sy ny hoe olona tsy hita popoka na « porté disparu ». Ka hojerentsika ny mikasika ireo.

🔷 I – NY OLONA TSY HITA EO AMIN’NY TOERAM-PONENANY INTSONY NO SADY TSY ANDRENESAM-BAOVAO na « Absent »:

➡️ 1 – Rehefa inona no lazaina fa tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy anderesam-baovao ny olona iray na « absent » ?
Lazaina fa tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao na « absent » ny olona iray raha toa izy ka tsy hita eo toeram-ponenany intsony izy ary mampisalasala ny fahavelomany noho izy tsy andrenesam-baovao mihitsy.

➡️ 2 – Fotoana voafaritry ny lalàna no ilazana fa tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao ny olona iray na « absent »:
👉 Rehefa mihoatra ny iray taona ny vaovao farany azo momba ilay olona tsy hita dia heverina fa tafiditra ao amin’ny sokajin’olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao izy.
👉 Mihitatra ho efatra taona io fe-potoana io raha toa ka namindra ny fitantanana ny fananany manontolo na amin’ny ampahany amin’ny olona izay nomeny fahefana izy mialoha ny nandehanany.

➡️ 3 – Inona no tokony atao raha toa ka miseho ireo tranga ireo?
👉 Rehefa tapitra ireo fe-potoana voalaza ireo ka mbola tsy niverina na mbola tsy nandrenesam-baovao ihany ilay olona, dia afaka mangataka amin’ny Fitsarana ny vadin’ilay olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no tsy nandrenesam-baovao na « absent »,ny mpandova azy, ny fampanoavana, na izay olona mety manana tombontsoa manokana avy amin’izany mba handraisana fepetra vonjimaika hitantanana ny fananan’ilay olona.
👉 Napetraky ny lalàna izany mba ho fiarovana ny fananany eo am-piandrasana ny fiverenany.

➡️ 4- Ny fepetra vonjimaika :
👉 Fanendrena mpitantana vonjimaika iray na maromaro mba hitahiry sy hitantana ny fananan’ilay olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao na « absent ».
👉 Mety ho olona ao amin’ny fianakaviana ihany izany, mety ho olon-kafa koa anefa.

➡️ 5- Ny mety ho tombotsoa amin’ny handraisana fepetra vonjimaika amin’ny fitantanana sy fikarakarana ny fananan’ilay olona tsy hita :
👉 Samy manana ny tombotsoany ny tsirairay miankina amin’ny zavatra ifandraisany amin’ilay olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy nandrenesam-baovao.
👉 Mety hoe mpandova an’io olona tsy hita io izy ka mandrapisokatry ny fandovana dia tiany hisy mpitantana sy mpikarakara ilay fananana.

➡️ 6- Fitsarana mahefa :
Fitsarana Ambaratonga Voalohany misy ny toeram-ponenan’ilay olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao na « absent ».

➡️ 7- Paik’ady arahina eny amin’ny Fitsarana :
👉 Mampiditra taratasy fangatahana eny amin’ny Fitsarana rehefa dila ilay fe-potoana voalaza teny ambony (herintaona na 4 taona) raha toa ka tsy mbola hita ilay olona,
👉 Ny didy avoakan’ny Fitsarana amin’izay fotoana izay dia manambara fa ny olona iray dia heverina ho tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao na « présumé absent ».
👉 Io didy io dia manendry ihany koa izay ho mpitantana vonjimaika sy ny fepetra rehetra natao hitantanana sy hikarakarana ny fananan’ilay olona heverina ho tsy eo an-toerana.
👉 Raha toa kosa ka efa maty ny vadiny kanefa tsy mbola ampy taona ny zanak’izy ireo, dia ambara ao anatin’io didy io ihany koa fa misokatra avy hatrany ny fiahiana vonjimaika ny zaza na tutelle provisoire izay manendry olona hihazona ny zaza sy hanana fahefana aminy.

➡️ 8- Anjara andraikitry ny olona izay voatendren’ny Fitsarana ho mpitantana vonjimaika ny fananan’ilay olona iray heverina ho tsy eo :
👉 Vao mandray fitantanana ilay mpitantana vonjimaika dia ny manisa sy mandrakitra an-tsoratra ny fananan’ilay olona tsy eo no tokony ataony voalohany
👉 Tena fitantanana sy fikarakarana ihany no azony atao fa tsy azony atao mihitsy ohatra ny mivarotra ny fananan’olona napetraka hotantanany.
👉 Noho ny antony manokana anefa dia afaka mangataka alalana amin’ny Fitsarana ihany ilay mpitantana vonjimaika hivarotra na hanao antoka (hypothèque) na hanolotra ny fananana amin’olon-kafa rehefa voaporofo ny fisian’ny hamehana.
👉 Koa rehefa mahazo ilay didy navoakan’ny Filohan’ny Fitsarana na « ordonnance » ilay mpitantana vao afaka manao izany
👉 Ohatra : marary mafy ny zanak’ilay olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao kanefa mila vola farak’izay haingana ny fianakaviana hitsaboana io zanany marary io.
👉 Marihinina fa azo atao ny manolo ilay olona voatendry ho mpitantana vonjimaika raha misy tsy fahaizana mitantana na koa hoe tsy afaka intsony izy noho ny antony manokana ka tsy maintsy angatahana eo anatrehan’ny Fitsarana izany.

➡️ 9- Inona ny zavatra miseho raha tsy mipoitra hatrany ilay olona?
👉 Rehefa dila valo taona ilay fotoana tsy nisehoan’ilay olona teo amin’ny toeram-ponenany no sady tsy nandrenesam-baovao momba azy dia afaka manatona ilay Fitsarana mahefa tetsy ambony indray ireo olona voalaza fa manana tombotsoa amin’izany mba handraisana fanapahan-kevitra farany mahakasika ny fananany izay notantanana vonjimaika.
👉 Aorian’ny fanadihadiana izay ataony dia ambaran’ny Fitsarana mazava amin’izay manomboka eo ny tsy fahitana ilay olona na « déclaration d’absence ».
👉 Io didim-pitsarana io ihany koa dia manome alalana ny mpandova hihazona sy hampiasa tanteraka ny fananan’ilay olona voambara fa tsy hita, araka ny filaharana amin’ny fandovana, ary tsy ambakan’izany ny zon’ny vadiny amin’ny fizarana ny fananana iombonana araka ny sata mifehy ny fanambadian’izy ireo.

➡️ 10- Aorian’ny fivoahan’ny didy manambara ofisialy ny tsy fahitana ilay olona :
👉 Ny ampahan’ny didim-pitsarana dia tsy maintsy atao peta-drindrina eny amin’ny Kaominina sy eny amin’ny toeram-ponenana samihafa an’ilay olona tsy eo,
👉 Tsy maintsy avoaka amin’ny gazety mpiseho isan’andro izay tondroin’ny Fitsarana ihany koa izany ampahan’ny didim-pitsarana izany,
👉 Ireto avy no tokony ho hita ao amin’izany ampahan’ny didim-pitsarana izany : ny anarana, ny fanampin’anarana, ny asa iandreketana, ny toetra na « qualité  » sy ny toeram-ponenan’ireo olona mangataka ny hanambaran’ny Fitsarana amin’ny fomba ofisialy fa ny olona iray dia tsy eo amin’ny toeram-ponenany no sady tsy andrenesam-baovao, ny mombamomba ity farany sy ny fotoana nialany teo an-toerana,
👉 Enim-bolana aorian’ny fahavitan’ilay peta-drindrina sy ilay famoahana an-gazety ny ampahan’io didim-pitsarana io dia mangataka amin’ny Filohan’ny Fitsarana namoaka ilay didy indray ireo fianakaviana mba ahafahan’izy ireo hanomboka hihazona sy hampiasa tanteraka ny fananan’ilay olona tsy eo,
👉 Mialoha ny fanombohana izany anefa dia tsy maintsy isàna sy raisina an-tsoratra avokoa ireo fananan’ilay olona tsy eo, izay ataon’ny vadintany na izay olona hafa voatendrin’ny Fitsarana. Atrehin’ny mpandova rehetra io fanisana io
👉 Mitsahatra hatreo ny fitantanan’ilay olona voatendry hitantana sy hikarakara vonjimaika ny fananana ary tsy maintsy manao tatitra izy ireo ao anatin’ny enimbolana mahakasika ny fitantanana izay nataony.
👉 Koa raha misy olona manana zavatra takiana amin’ilay olona tsy eo dia any amin’ireo olona mihazona sy mampiasa tanteraka ny fananany izy no afaka mitaky izany.
👉 Ohatra : Ireo olona manana trosa amin’ilay olona heverina ho tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao intsony.

➡️ 11- Inona indray kosa ny zava-miseho raha toa ka mipoitra indray ilay olona na voaporofo ny fahitana azy taorian’ny didy manambara fa ny tsy fahitana azy?

👉 Mitsahatra tanteraka ny fanatantarehana ilay didy izay nivoaka ary averina aminy avokoa ireo fananany araka izay azo atao ka izay ahitana an’ireo fananana amin’ny andro isehoany no andraisany azy.
👉 Raha toa ka efa namidin’ilay nandray azy kosa ny fananany dia izay vidin’izany sisa no averina aminy.
👉 Raha toa kosa ka natolotra ho an’olon-kafa ilay izy dia izay tombotsoa raisin’ilay nanolotra noho io fanolorana io no raisiny.
👉 Raha toa indray ka efa nanambady olon-kafa ny vadiny dia afaka mangataka ny handravana izany fanambadiana izany miaraka amin’ny porofon’ny fahavelomany izy na izay olona nomeny fahefana.

➡️ 12- Ahoana indray raha toa ka voamarina fa maty ilay olona nambara fa tsy hita teo ?

👉 Lasa misokatra ny fandovana azy izany hoe lasa mifindra tanteraka amin’ireo mpandova azy ireo fananany fa tsy fihazonana sy fampiasana tanteraka intsony ny zo an’izy ireo.
⭕ Fanamarihana :
👉 Raha mbola tsy ampy taona ny zanak’ ilay olona heverina tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao dia ny vadiny irery no mampiasa ny zo maha-ray na maha-reny azy (autorité parentale) amin’ireo zaza.
👉 Tsy manan-kery ny fivarotana na fanolorana fananan’olona iray raha toa nisy ny fitaka sy haratsiam-panahy mba hilazana fa tsy hita ilay olona.

🔷 – II – NY OLONA TSY HITA POPOKA na « PORTE DISPARU » ?

➡️ 1 – Rehefa inona no lazaina fa tsy hita popoka na « porté disparu » ny olona iray ?

👉 Lazaina fa tsy hita popoka ny olona iray raha toa ka tao anaty trangan-javatra sarotra na loza mety nanala ny ainy no tsy nahitana azy kanefa tsy hita ny fatiny.
Ohatra : ireo mpandeha tamin’ny sambo Gasikara tamin’ny taona 1991 izay lazaina fa sendra rivo-doza ka dia nilentika ny sambo ary tsy hita mihintsy ny vata mangatsiakan’ireo olona ireo hatramin’izao.

➡️ 2 – Paik’ady arahina ara-pitsarana :

👉 Mampiditra taratasy fangatahana eny anivon’ny Fitsarana ireo rehetra manana tombontsoa amin’izany mba hanambarana ara-pitsarana fa maty ilay olona tsy hita popoka na « déclaration judiciaire de décès ».
👉 Io didy io rehefa lasa didy raikitra na « grosse » no entina any amin’ny Kaominina misy ny toeram-ponenana faran’ilay olona tsy hita popoka mba ho adika anaty rejisitra.
👉 Mandra-pahavitan’izany fandikana izany anefa dia mihatra avokoa ny fepetra voalaza rehetra teo aloha mikasika ny fitantanana sy fikarakarana vonjimaika ny fananan’ilay olona tsy hita popoka.
👉 Raha nisy trangan-javatra sarotra niseho teo amin’ny Firenena toy ny fanafihan’ny tafika avy any ivelany ohatra na ny fikorontanana goavana miseho eto an-toerana ka nisy ny fanambarana ny hamehana manerana ny tanin’ny Repoblika na « état de nécessité nationale » dia enim-bolana aorian’ny fitsaharan’izany vao afaka mamoaka didy ny Fitsarana.
⭕ Hofaranantsika amin’ny heriny anio ny mikasika ity lohahevitra ity. Na dia somary lavalava ihany aza izay famelabelarana nentina tamintsika izay dia tombony be ho antsika ny nahalalana ny mikasika ny « absence » sy ny « porté disparu ».

🔷 III- INONA IZANY NO MAMPITOVY SY MAHASAMIHAFA NY OLONA TSY HITA EO AMIN’NY TOERAM-PONENANY INTSONY NO SADY TSY NANDRENESAM-BAOVAO (absent) SY NY OLONA TSY HITA POPOKA (porté disparu) ?

👉 Ny mampitovy ny olona tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao sy ny olona tsy hita popoka dia samy tsy hita daholo ireo olona ireo.
👉 Ny mahasamihafa azy fotsiny dia ilay tranga voalohany dia mametraka ahiahy ny amin’ny fahaveloman’ilay olona noho ny tsy ahitana azy eo amin’ny toeram-ponenany sy ny tsy fahazoana vaoavao avy aminy.

Ilay tranga faharoa kosa indray dia misintona ny saina hieritreritra avy hatrany fa maty ilay olona noho ireo trangan-javatra sarotra na loza nisy na tsy hita aza ny fatiny.

🔴 Fehiny:
👉Manentana an’ireo izay manana fianakaviana tsy hita, mety hoe tsy hita eo amin’ny toeram-ponenany intsony no sady tsy andrenesam-baovao na koa tsy hita popoka ihany koa mba hijery izay voalazan’ny lalàna mahakasika ireo trangan-javatra ireo fa tsy tonga dia hizara na hivarotra ny fananan’ilay olona na handray fanapahan-kevitra hafa avy hatrany ka mety hanahirana ao aoriana.
⭕ Lohahevitra vaovao indray no hozaraina amintsika manomboka amin’ny herinandro.