FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA.

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA (RECTIFICATION DES ACTES D’ETAT CIVIL) (tohiny)

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
👉 Taratasy fangatahana alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana,
👉 Sora-piankohonana ho ahitsy (latsaky ny 3 volana),
👉 Ny dika mitovin’ny bokim-pianakaviana,
👉 Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny mpangataka,
👉 Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2,
👉 Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka (certificat de résidence),
👉 Izay rehetra taratasy manaporofo ilay fahadisoana (ohatra : raha ny anaran’ny reny no diso dia entina ny sora-pahaterahany hanamarinana izany sns…)
👉 Taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabom-panjakana manamarina ny mahalahy na mahavavy ilay voakasika raha toa izay no diso ao amin’ilay sora-piankohonana.

🔷SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA :
✅ Maimaimpoana fa tsy misy vola aloa raha toa ka mandeha fotoam-pitsarana ilay raharaha,
Fa raha toa kosa ka didin’ny Filohan’ny fitsarana (ordonnance sur requête) ihany dia mahahitsy ilay diso dia misy sarany dimy arivo ariary (5.000 Ar).

🔷 NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA
➡️ Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpiraki-draharaham-pitsarana ireo antontan-taratasin’ady rehetra voalaza teo ambony ireo,
⭐Raha toa ka fahadisoana madinika na tsotsotra :
Ohatra hoe « Bema » no anaran’ilay olona fa lasa « Rema », dia didy avoakan’ny Filoha soratana eo ambanin’ilay taratasy fangatahana ihany na « ordonnance sur requête » dia efa mahahitsy ilay diso.
⭐Raha toa kosa ka somary lehibe ilay fahadisoana :
Ohatra hoe « lehilahy » ilay olona fa voasoratra hoe « vehivavy », dia ilaina fanadihadiana misimisy kokoa. Noho izany :
👉 Ny mpangataka na izay misolo tena azy (raha toa ka tsy ampy taona izy) dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona,
👉 Afaka mandray izay fepetra rehetra hitany fa ilaina amin’ny famotorana izay ataony ny fitsarana toy ny fanaovana fanadihadiana, fametrahana peta-drindrina…
👉 Ny porofo rehetra tonga eo am-pelatanany no hitsaran’ny Fitsarana,
👉 Izay olona rehetra manamarina ny fisian’ny tombontsoany avy amin’ilay fangatahana fanitsiana ihany koa dia afaka mangataka hitsofoka amin’ilay raharaha ary mitondra izay rehetra porofo eo am-pelatanany.

🔷 AORIAN’NY FOTOAM-PITSARANA na NY DIDIN’NY FILOHAN’NY FITSARANA :
👉Entina any amin’ny Kaominina izay namoaka ilay sora-piankohonana diso ilay didim-pitsarana raikitra (grosse),
👉Soratana ao amin’ny rejisitra voatondro ny ventin’ilay didy miampy izay soratra an-tsisiny,
👉Voahitsy ilay sora-piankohonana amin’ny alalan’ny soratra an-tsisiny ataon’ny Kaominina.
📌 Raha izay ary ireo tsara ho fantatra mahakasika ny fanitsiana ny sora-piankohonana dia ho hitantsika indray amin’ny heriny anio ny momba ny fanavaozana ny sora-piankohonana.