Fanatsarana ny lafiny fampiofanana sy ny fahaiza-manaon’ny mpampiofana ao amin’ ny ENAP

⚖️ Fanatsarana ny lafiny fampiofanana sy ny fahaiza-manaon’ny mpampiofana ao amin’ ny ENAP (École Nationale de l’Administration Pénitentiaire) Antetezambaro Toamasina II.

✅ Anio 7 aprily 2022 no nofaranana tamin’ ny fomba ofisialy ny atrikasa fanavaozana sy fampanarahana ny vaninandro taranja fampiofanana ho an’ ny mpianatra agent pénitentiaire ao amin’ ny Sekolim- pirenena Fampiofanana Mpandraharaha ny Fonja (ENAP) ao Antetezambaro Toamasina II. Manam-pahaizana manokana eo amin’ ny lafiny fampiofanana avy any amin’ ny ENAP France no nizara ny traikefa sy niara-nikaondoha tamin’ ireo tompon’ andraikitry ny fampiofanana ao amin’ ny ENAP sy ireo tompon’ andraikitra solontena avy eny anivon’ ny Fitalevana ankapoben’ ny Fandraharahana ny Fonja. Dimy andro ny faharetan’ izany atrikasa izany ary namatsy vola ny fanatanterahana izany ny Agence Française de Développement (AFD) tamin’ ny Projet d’ Appui à la Justice à Madagascar (PAJMA) .

➡️ Nandritra izany no nahafahana nandrafitra ireo taranja fampiofanana, ny fandaharam-potoana fampiofana sy ny fomba fanaovana tombana ny mpianatra mandritra ny fiofanana, mba hifanaraka tanteraka amin’ ny asa sy andraikitra ankinina amin’ ireo agent pénitentiaire rehefa amperin’ asa.
📌 Tanjona apetraky ny ENAP moa ny fanatsarana hatrany ny fampiofanana hifanaraka amin’ ny zavamisy eny anivon’ ny Fonja eto Madagasikara. Ho tohin’ izany dia mpampiofana maharitra miisa 5 avy ao amin’ ny ENAP Madagascar no handeha hanaraka fiofanana ho mpampiofana any amin’ ny ENAP France mandritra ny 10 andro.