Ady atao amin’ny VBG: Nahazo fitaovana vaovao avy amin’ny FNUAP ireo Mpitsara

✔️ Ho fanatanterahana ny politikam-panjakana mikasika ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG), dia nomena fitaovam-piasana ireo mpitsara mpanentana eo anivon’ireo Fitsarana telo dia ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, ny Fitsarana Ambony, ary ny Fitsarana Fandravana.

➡️ Ny Zoma 28 Janoary 2022 no natolotry ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, Rtoa RABY-SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, ny Tonian’ny Fampanoavana Ambony mpisolo toerana ao amin’ny Fitsarana Fandravana, Rtoa RAZAFINDRAMARO Bodo Vololohanitra, ny Tonian’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Ambony Rtoa RAZAFIARIVONY Berthine, ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Rtoa RAKOTOARIVONY Marie Annick.

📌 Ireo fitaovana ireo dia natolotry ny “Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Mponina” na ny FNUAP ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny Talata 02 Novambra 2021 ka ahitana:
🔹 solosaina fitondra mandeha, fitaovana fanontana sy fakana sary taratasy ary finday efa misy fahana mialoha.
Ankoatra ireo Fitsarana 3 voalaza etsy ambony ireo dia efa nahazo solosaina fitondra mandeha sy fitaovana fanontana sy fakana sary taratasy tsirairay avy ny Fitsarana Ambony ao Toliara sy Mahajanga ary ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Mahajanga, Toliara, Manakara, Ambovombe ary Betroka.

——————————————-
REMISE DE MATERIELS, DONS DU « FNUAP », A LA CHAINE PENALE ANTI-VIOLENCES BASEES SUR LE GENRE (CPA-VBG)
Dans le cadre de la mise en œuvre de la politique pénale de lutte contre les violences basées sur le genre, la Secrétaire Générale du Ministère de la Justice RABY-SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle a remis vendredi dernier à RAZAFINDRAMARO Bodo Vololohanitra, Procureur Général par intérim près la Cour de Cassation, à RAZAFIARIVONY Berthine, Procureur Général près la Cour d’Appel d’Antananarivo et à RAKOTOARIVONY Marie Annick, Procureur de la République près le Tribunal de Première Instance d’Antananarivo, les matériels destinés à l’usage des magistrats référents « VBG » auprès de ces 3 juridictions.
Dons du « Fonds des Nations Unies pour la Population » ou “FNUAP” au Ministère de la Justice le mardi 02 novembre 2021 ces matériels comprennent : des ordinateurs portables, des imprimantes avec scanner et des téléphones portables avec carte prépayée.
Outre les 3 juridictions sus-citées, les Cours d’Appel de Mahajanga et Toliara, les Tribunaux de Première Instance de Mahajanga, Toliara, Manakara, Ambovombe et Betroka ont déjà aussi reçu des portables et des imprimantes avec scanner.