Fanampiana ho an’ireo tra-boina : Nitondra ny anjara birikiny ny Ministeran’ny Fitsarana

📌 Voin-kava-mahatratra. Manoloana ny tondra-drano ka mahatonga mpiray Tanindrazana ho tra-boina, dia nitondra ny fandraisany anjara ny Ministeran’ny Fitsarana. Fanampiana izay naterina androany Alahady 30 Janoary 2022 teny amin’ny Fokontany Ampefiloha, Kaominina ambanivohitra Fiadanana, anatin’ny Distrikan’Ambohidratrimo. 700 ny isan’ny mponina ao, ka 200 mahery no tra-boina. Tsy adino ireo tra-boina amin’ny Fokontany hafa ao anaty Distrikan’Ambohidratrimo.

➡️ Nanatitra ny fanampiana sy nisolo tena an’Atoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, ny delegasiona notarihin’ny Tale misahana ny Fandaharan’asa ny Fanaraha-maso sy ny Tombana (DPSE) sy Atoa DAFP. Nanotrona teo koa ny Solombavambahoaka voafidy ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo, ny Ben’ny Tanàna teo aloha ary ny Filohan’ny Fokontany Ampefiloha.

*️⃣ Ho fandraisana anjara dia nanolotra:
🔹Vary 2 taonina (ny 10 gony nomena tao amin’ny Fokontany Ampefiloha)
🔹Tsiasisa 2 gony
🔹Tsaramaso 1 gony (ho an’ny Fokontany Ampefiloha)
🔹Savony 5 baoritra (ny 2 baoritra nomena tao amin’ny Fokontany Ampefiloha)
🔹Menaka 60 litatra (20 litatra nomena ny Fokontany Ampefiloha)
🔹 Sira 1 gony (50 sachets nomena tao amin’ny Fokontany Ampefiloha).