Famindram-pahefana teo anivon’ny DRAP Analanjirofo

Vita ny zoma 04 desambra 2020 lasa teo tao Fenerive-Est ny fametrahana ny Talemparitry ny Fandraharahana ny Fonja Analanjirofo izay natrehan’ny Mpitahiry ny Fitombokasempanjakana, Minisitry ny Fitsarana, ANDRIAMAHEFARIVO Johnny Richard ary ireo olomboafidy sy olomboatendry ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Ny lanonana dia natomboka tamin’ny famindran’asa sy famindrampahefana tamin’i DRAP Atsinanana sy DRAP Analanjirofo notohizana tamin’ny fanolorana ny faneva ny Foibemparitra Analanjirofo. Nofaranana tamin’ny matso.
Nandritra ny tsaingoka sy goka no nanaovana ny kabary nifandimbiasana ka ny Talemparitra vaovao no nanomboka azy , nitohizan’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, ary nofaranan’Atoa Minisitra ANDRIAMAHEFARIVO Johnny Richard. Nisongadina tamin’izany ny filazana ny famerenanana indray ny hasin’ny Fitsarana sy ny Fandraharahana ny Fonja ary ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny Fitsarana.
Marihina fa talohan’ny lanonana dia nitsidika ny Fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) ao Fenerive Est ny Minisitra ,ka navoitrany tamin’izany ny fanajana ny asa sy ny fiadiana amin’ny kolikoly mba hahatonga ny Fitsarana ho tena itokisan’ny vahoaka.