FONJAMBEN’I MIANDRIVAZO.

📌Sabotsy 13 Aprily 2024, tamin’ny fandalovan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Miandrivazo dia tonga nitsidika ny fonjambe ny tenany niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy avy eo anivon’ny Minisitera.

⭕Nanome toromarika ireo mpandraharaha ny fonja ny amin’ny fanamafisana ny fiambenana sy ny fandrindrana ireo olona mivezivezy ao amin’ny fonja ny tenany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Noresahany koa ny fameloma-maso ny tobim-pamokaran’ny voafonja any an-toerana ary ny fampiofanana azy ireo izay tafiditra anatin’ny fanajàna ny zon’olombelona.

⭕Ankoatra izay dia nanolotra fitaovam-pamokarana toy ny angadin’omby, angady tsotra, sy ny maro hafa ho an’ireo voafonja ny Minisitry ny Fitsarana. Nisitraka fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny minisitera koa ny fonjamben’i Miandrivazo ka vary 8 gony sy tsaramaso 2 gony no azon’izy ireo tamin’izany.